Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 37:20 - DIEM PROTESTANTA

20 Teo amin’ilay tahobeny kosa dia nisy felam-boninkazo efatra miendrika felam-paiso miaraka amin’ny bokony sy ny voniny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

20 Teo amin’ny fitoeran-jiro dia nisy foto-boniny efatra natao tahaka ny vonin’ny amanda, mbamin’ny bokony sy ny voniny,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

20 Teo amin’ilay tahobeny kosa dia nisy felam-boninkazo efatra miendrika felam-paiso miaraka amin’ny bokony sy ny voniny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

20 Teo amin’ny tahon’ny fanaovan-jiro nisy ravim-boniny efatra miendrika vonin’amandia, bokony sy voniny:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

20 Ary teo amin’ny fanaovan-jiro dia nisy vodi-voniny efatra natao tahaka ny vonin’ny amygdala, mbamin’ny kiboriny sy ny voniny,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

20 Ary teo amin'ny fanaovan-jiro dia nisy vodi-voniny efatra natao tahaka ny vonin'ny amygdala, mbamin'ny kiboriny sy ny voniny,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

20 Teo amin’ny fitoeran-jiro dia nisy foto-boniny efatra natao tahaka ny vonin’ny amanda, mbamin’ny bokony sy ny voniny,

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 37:20
8 Rohy Ifampitohizana  

«Hisy koa fitoeran-jiro volamena madio hamboarina; voasana no hanaovana azy, ka ny faladiany sy ny tahony, ny raviny sy ny bokony ary ny voniny dia hitambatra ho tena iray ihany.


Isaky ny rantsana tsirairay dia hisy felam-boninkazo telo miendrika felam-paiso miaraka amin’ny bokony sy ny voniny.


Eo amin’ilay tahobeny kosa dia hisy felam-boninkazo efatra miendrika felam-paiso miaraka amin’ny bokony sy ny voniny.


Isaky ny rantsana tsirairay dia nisy felam-boninkazo telo miendrika felam-paiso miaraka amin’ny bokony sy ny voniny.


Ary teo ambanin’ny rantsana enina izay niainga avy amin’ny tahobeny dia nisy boko iray isaky ny rantsana tsiroaroa.


Amin’izay koa dia hatahotra ny hiani-piakarana ianao ary ho be fanahiana rehefa mamindra; ny volon-dohanao hihafotsy toy ny voninkazo mamony fotsy; tsy ho mailaka fihetsika toy ny valala intsony ianao; ary tsy hahitanao tsirony intsony ny voan-tsiperifery. Isika olombelona tsy maintsy mankany amin’ny fonenana mandrakizay, ary ny mpisaona antsika kosa efa mihaodihaody eny an-dalambe.


Ary nisy tenin’ny TOMPO tamiko nanontany hoe: –Inona no hitanao, ry Jeremià? Dia novaliako hoe: –Rantsam-paiso na hazo mahatsiaro no hitako.


Dia nankeo anoloan’ny Tranolay fihaonana i Mosesy sy i Aharôna.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra