Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 37:17 - DIEM PROTESTANTA

17 Namboarina ny fitoeran-jiro volamena madio; voasana no nanaovana azy, ka ny faladiany sy ny tahony, ny raviny sy ny bokony ary ny voniny dia nitambatra ho tena iray ihany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

17 Nanao ny fitoeran-jiro tamin’ny volamena tsy miharo indray koa izy; notefena ny fitoeran-jiro; vongana iray aminy ny faladiany, ny tahony, ny foto-boniny, ny bokony ary ny voniny.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

17 Namboarina ny fitoeran-jiro volamena madio; voasana no nanaovana azy, ka ny faladiany sy ny tahony, ny raviny sy ny bokony ary ny voniny dia nitambatra ho tena iray ihany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

17 Volamena madio no nanaovany ny fanaovan-jiro; volamena an-tefiny avokoa, na ny fanaovan-jiro na ny tongony aman-tahony; iray aminy koa ny ravim-boniny mbamin’ny bokony sy ny voniny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

17 Ary nanao ny fanaovan-jiro tamin’ny volamena tsara izy; voasana no nanaovany ny fanaovan-jiro; nataony indray mivofy taminy avokoa ny faladiany sy ny tahony sy ny vodi-voniny sy ny kiboriny ary ny voniny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

17 Ary nanao ny fanaovan-jiro tamin'ny volamena tsara izy; voasana no nanaovany ny fanaovan-jiro; nataony indray mivofy taminy avokoa ny faladiany sy ny tahony sy ny vodi-voniny sy ny kiboriny ary ny voniny.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

17 Nanao ny fitoeran-jiro tamin’ny volamena tsy miharo indray koa izy; notefena ny fitoeran-jiro; vongana iray aminy ny faladiany, ny tahony, ny foto-boniny, ny bokony ary ny voniny.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 37:17
17 Rohy Ifampitohizana  

ny lanjan’ny fitoeran-jiro sy fanaovan-jiro volamena araka ny karazany avy, ny lanjan’ny fitoeran-jiro sy fanaovan-jiro volafotsy araka ny karazany avy,


Isa-maraina sy isan-kariva ireo no mampanetona ny sorona dorana manontolo sy ny vovo-javamanitra ho an’ny TOMPO na koa mandahatra eo amin’ny latabatra madio ny mofo atolotra ho an’Andriamanitra; ary isan-kariva ireo no mampirehitra ny jiro eo amin’ny fitoeran-jiro volamena. Izahay manko mitandrina izay nasain’ny TOMPO Andriamanitray hotandremana; fa ianareo kosa nandao Azy.


ny latabatra voatokana, ny fitoeran-jiro volamena madio sy ny fitaovana rehetra miaraka aminy, ny alitara fandoroana vovo-javamanitra,


Namboarina koa ny fitaovana fametraka eo ambonin’io latabatra io: dia lovia fisaka lehibe, kaopy, tavoara, tsatokaty ho an’ny fanatitra divay; ka samy natao tamin’ny volamena madio avokoa izy rehetra.


Nasiana rantsana enina nivoaka avy amin’ny tahobeny, ka samy telo an-daniny avy.


Eo ambonin’io fitoeran-jiro volamena madio io no hametrahan’i Aharôna ireo jiro izay hirehitra tontolo alina eo anatrehako.


Dia nanontaniako indray izy hoe: –Inona moa ireo hazo ôliva roa eo an-kavanana sy eo an-kavian’ny fitoeran-jiro ireo?


sady nanontany ahy hoe: –Inona no hitanao? Dia hoy aho namaly: –Fitoeran-jiro volamena misy fitahirizan-diloilo eo an-tampony no hitako. Fanaovan-jiro fito no eo amin’izany fitoeran-jiro izany; ary lahin-jiro fito kosa no eo amin’ny fanaovan-jiro tsirairay avy.


Ny fitoeran-jiro dia volamena voatefy hatramin’ny faladiany ka hatramin’ny voniny. Araka izay endrika efa nasehon’ny TOMPO an’i Mosesy no nanaovana ny fitoeran-jiro.


Ary tsy misy mampirehitra jiro ka hametraka azy ao ambany vata famarana; fa eo ambony fitoeran-jiro no apetrany mba hanazava izay rehetra ao an-trano.


mba ho tsy manan-tsiny sady tsy misy fitaka ianareo, dia ho zanak’Andriamanitra tsy misy kilema eo afovoan’ny olo-meloka sady maditra. Eo afovoan’ireo olona ireo, dia tokony hamirapiratra toy ny kintana eny an’habakabaka ianareo,


Fa nisy tranolay voavoatra, dia ny tranolay voalohany izay antsoina hoe Toeramasina: tao no nisy ny fitoeran-jiro sy ny latabatra fametrahana ny mofo atolotra ho an’Andriamanitra.


Dia nitodika aho hizaha izay olona niteny tamiko. Ka rehefa tafatodika aho, dia nahita fitoeranjiro volamena fito,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra