Eksodosy 37:17 - Baiboly Katolika17 Volamena madio no nanaovany ny fanaovan-jiro; volamena an-tefiny avokoa, na ny fanaovan-jiro na ny tongony aman-tahony; iray aminy koa ny ravim-boniny mbamin’ny bokony sy ny voniny. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201117 Nanao ny fitoeran-jiro tamin’ny volamena tsy miharo indray koa izy; notefena ny fitoeran-jiro; vongana iray aminy ny faladiany, ny tahony, ny foto-boniny, ny bokony ary ny voniny. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA17 Namboarina ny fitoeran-jiro volamena madio; voasana no nanaovana azy, ka ny faladiany sy ny tahony, ny raviny sy ny bokony ary ny voniny dia nitambatra ho tena iray ihany. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara17 Namboarina ny fitoeran-jiro volamena madio; voasana no nanaovana azy, ka ny faladiany sy ny tahony, ny raviny sy ny bokony ary ny voniny dia nitambatra ho tena iray ihany. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy17 Ary nanao ny fanaovan-jiro tamin’ny volamena tsara izy; voasana no nanaovany ny fanaovan-jiro; nataony indray mivofy taminy avokoa ny faladiany sy ny tahony sy ny vodi-voniny sy ny kiboriny ary ny voniny. Jereo ny tokoMalagasy Bible17 Ary nanao ny fanaovan-jiro tamin'ny volamena tsara izy; voasana no nanaovany ny fanaovan-jiro; nataony indray mivofy taminy avokoa ny faladiany sy ny tahony sy ny vodi-voniny sy ny kiboriny ary ny voniny. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache17 Nanao ny fitoeran-jiro tamin’ny volamena tsy miharo indray koa izy; notefena ny fitoeran-jiro; vongana iray aminy ny faladiany, ny tahony, ny foto-boniny, ny bokony ary ny voniny. Jereo ny toko |
Ka izy ireo, dia mandoro sorona dorana hanetona amin’i Iaveh isan’andro marain-tsy hariva ary zava-manitra tsara fofona koa: ataony eo ambonin’ny latabatra madio ny mofo alahatra; ary ny fanaovan-jiro volamena mbamin’ny lalampiny dia ampirehetiny isan-kariva; satria tandremanay ny didin’i Iaveh Andriamanitray, fa ianareo kosa nandao Azy.