Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 37:16 - DIEM PROTESTANTA

16 Namboarina koa ny fitaovana fametraka eo ambonin’io latabatra io: dia lovia fisaka lehibe, kaopy, tavoara, tsatokaty ho an’ny fanatitra divay; ka samy natao tamin’ny volamena madio avokoa izy rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 Nanao ny fanaka izay eo ambonin’ny latabatra indray izy, dia ny loviany sy ny loviakeliny ary ny kapoakany sy ny fitoeran-divainy ho fandrarahana fanatitra; volamena tsy miharo no nanaovany ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 Namboarina koa ny fitaovana fametraka eo ambonin’io latabatra io: dia lovia fisaka lehibe, kaopy, tavoara, tsatokaty ho an’ny fanatitra divay; ka samy natao tamin’ny volamena madio avokoa izy rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

16 Nanao fanaka hapetraka eo ambonin’ny latabatra izy, dia ny loviany, ny fitoeran-java-manitra, ny kôpiny ary ny tasiny fanaovam-panatitra araraka; volamena madio no nanaovany an’ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 Ary nanao ny fanaka izay eo ambonin’ny latabatra izy, dia ny loviany sy ny lovia keliny ary ny kapoakany sy ny fitoeran-divainy ho fanidinam-panatitra; volamena tsara no nanaovany ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Ary nanao ny fanaka izay eo ambonin'ny latabatra izy, dia ny lovia ny sy ny lovia keliny ary ny kapoakany sy ny fitoeran-divainy ho fanidinam-panatitra; volamena tsara no nanaovany ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

16 Nanao ny fanaka izay eo ambonin’ny latabatra indray izy, dia ny loviany sy ny loviakeliny ary ny kapoakany sy ny fitoeran-divainy ho fandrarahana fanatitra; volamena tsy miharo no nanaovany ireo.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 37:16
8 Rohy Ifampitohizana  

ny koveta, ny antsy, ny tsatokaty famafazana, ny kaopy, ny sotro ary ny fitaovam-panembohana dia samy volamena madio avy; ny savilim-baravaran’ny efitra atao hoe Toeramasina Indrindra sy ny savilim-baravaran’ilay efitrano malalaka dia samy volamena avokoa.


mbamin’ny mpandatsa-biriky sy ny mpipai-bato ary koa hividianana hazo sy vato voapaika hanamboarana ny simba amin’ny tranon’ny TOMPO sy hiantohana izay fandaniana hafa rehetra ilaina amin’izany.


Hamboarina koa ny fitaovana fametraka eo ambonin’io latabatra io: dia lovia fisaka lehibe, kaopy, tavoara, tsatokaty ho an’ny fanatitra divay, ka samy hatao amin’ny volamena madio avokoa izy rehetra.


Hazo mimôzà no nanaovana ny bao roa, izay norakofana takela-bolamena; ary ireo no nilanjana ny latabatra.


Namboarina ny fitoeran-jiro volamena madio; voasana no nanaovana azy, ka ny faladiany sy ny tahony, ny raviny sy ny bokony ary ny voniny dia nitambatra ho tena iray ihany.


Tsy dia fanaka volamena sy volafotsy ihany no ao anaty lapa soa anankiray fa misy fanaka hazo sy tanimanga koa; iretsy voalohany dia fanaka mihaja fa ireto faharoa kosa dia fanaka tsotsotra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra