Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 33:21 - DIEM PROTESTANTA

21 Fa eto akaikiko eto, hoy Izaho TOMPO, dia misy toerana an-karambato hijanonanao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

21 Dia hoy NY TOMPO: Indro, misy toerana eto anilako; dia hijanona eo ambonin’ny harambato ianao;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

21 Fa eto akaikiko eto, hoy Izaho TOMPO, dia misy toerana an-karambato hijanonanao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

21 Hoy i Iaveh: «Indro misy fitoerana eto akaikiko, ka hijanona eo ambony vatolampy ianao;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

21 Dia hoy Jehovah: Indro, misy fitoerana eto anilako; dia hijanona eo ambonin’ny harambato hianao;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

21 Dia hoy Jehovah: Indro, misy fitoerana eto anilako; dia hijanona eo ambonin'ny harambato ianao;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

21 Dia hoy NY TOMPO: Indro, misy toerana eto anilako; dia hijanona eo ambonin’ny harambato ianao;

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 33:21
11 Rohy Ifampitohizana  

Rehefa tonga tao Hôreba i Elià, dia niditra tao amin’ny zohy iray ka natory tao. Ary nisy tenin’ny TOMPO taminy nanao hoe: –Inona no ataonao eto, ry Elià?


TOMPO ô, tiako Ianao fa Ianao no heriko!


Mikoy izy ireo ka mangovitra no miala ny manda fiarovany.


Koa raha tonga ny andro mahory, dia hafeniny ao an’efitra fialofany aho sy hampiereny tokoa ao an-dainy; eny, hasandrany ambony vatolampy aho.


Andriamanitra ô, mba henoy ny tarainako, aoka ho tandrinao ny fivavako!


Izy irery no Vatolampy ahazoako famonjena, fiarovana avo ho ahy ka tsy hihontsona aho.


dia hanokanako takela-bato misy ny anarany eo amin’ny rindrin’ny tempoliko. Izany no tsara kokoa ho azy noho ny zanakalahy sy zanakavavy maro. Hampitoeriko eo mandrakizay ny anarany ka tsy hisy na inona na inona hahakosoka azy.»


«Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: Raha izoranao ny sori-dàlako, ka tandremanao ny didiko, dia ianao no hiandraikitra ny tranoko sy hitandrina ny kianjan’ny tempoly ary hisy hataoko mpanoro hevitra anao amin’ireto olona mijoro etoana ireto.»


Fatra-panatona an’i Jesoa avokoa ny mpamory hetra sy ny mpanota mba hihaino Azy.


Fa ianao kosa, mijanona eto anilako ka holazaiko aminao ny didy sy lalàna amam-pitsipika rehetra izay hampianarinao azy mba hotanterahiny any amin’ny tany omeko azy ho fananany.»


Ary rehefa mandositra amin’ireo tanàna ireo ilay namono olona tsy nahy, dia hijanona eo anoloan’ny vavahadin’ny tanàna, ka hanazava amin’ireo loholona ao an-tanàna ny zava-niseho. Dia horaisin’ireo ho ao an-tanànany izy ka homeny toerana mba hiara-monina aminy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra