Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 32:23 - DIEM PROTESTANTA

23 Tonga nilaza tamiko izy hoe: «Anaovy andriamanitra izahay hitarika anay satria tsy fantatray izay nanjo an’i Mosesy, ilay lehilahy namoaka anay hiala tany Ejipta.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

23 satria hoy ireo tamiko: Manaova andriamanitra ho antsika, hitarika antsika eo alohantsika; fa ilay Mosesy iny, izay lehilahy nitondra antsika niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta, dia tsy fantatray izay nanjo azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

23 Tonga nilaza tamiko izy hoe: «Anaovy andriamanitra izahay hitarika anay satria tsy fantatray izay nanjo an’i Mosesy, ilay lehilahy namoaka anay hiala tany Ejipta.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

23 Izao no nolazain’izy ireo tamiko: Anaovy andriamanitra izahay hialoha lalana anay, fa raha ny amin’iny Môizy iny, ilay lehilahy nitondra anay niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta, tsy fantatray izy na naninona na naninona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

23 ary hoy izy tamiko: Manaova andriamanitra ho antsika, hitarika antsika eo aloha; fa ilay Mosesy iny, izay lehilahy nitondra antsika niakatra avy tany amin’ny tany Egypta, dia tsy fantatray izay nanjo azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

23 ary hoy izy tamiko: Manaova andriamanitra ho antsika, hitarika antsika eo aloha; fa ilay Mosesy iny, izay lehilahy nitondra antsika niakatra avy tany amin'ny tany Egypta, dia tsy fantatray izay nanjo azy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

23 satria hoy ireo tamiko: Manaova andriamanitra ho antsika, hitarika antsika eo alohantsika; fa ilay Mosesy iny, izay lehilahy nitondra antsika niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta, dia tsy fantatray izay nanjo azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 32:23
5 Rohy Ifampitohizana  

Nalaky nivily hiala tamin’ny lalana izay nasaiko nalehany izy, fa nanamboatra sarivongana ombilahikely ho azy, sady niankohoka taminy ary nanao sorona ho azy. Nilaza aza izy hoe: «Ity no andriamanitsika izay namoaka antsika hiala tany Ejipta!»


Ka hoy ny vahoaka Israely tamin’iAharôna: «Anaovy andriamanitra hialoha lalana anay izahay, fa tsy fantatray izay nahazo an’iny Mosesy namoaka anay hiala tany Ejipta iny.»


Ka hoy ny navalin’i Saoly: –Nentin’ny miaramila avy tany amin’ny Hamalekita izany; satria ny biby tsara tsy mba nokasihiny fa hatao sorona ho an’ny TOMPO Andriamanitrao. Ny sisa rehetra kosa dia naringany avokoa.


fa ny miaramila kosa, raha nanavaka ireo biby izay tsara indrindra tokony ho naringana, dia ny hanolorana azy ho sorona ho an’ny TOMPO Andriamanitrao eto Gilgàla.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra