Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 30:9 - DIEM PROTESTANTA

9 Aza manolotra vovo-javamanitra tsy sahaza eo, na sorona dorana manontolo, na fanatitra vokatry ny tany; tsy handrarahana fanatitra divay koa eo ambonin’io alitara io.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Aza manolotra ditin-kazo manitra tsy izy eo ianareo, na fanatitra dorana manontolo na fanatitra avy amin’ny zavamaniry; ary aza mandraraka fanatitra aidina eo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Aza manolotra vovo-javamanitra tsy sahaza eo, na sorona dorana manontolo, na fanatitra vokatry ny tany; tsy handrarahana fanatitra divay koa eo ambonin’io alitara io.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

9 Aza misy atolotrareo eo ambonin’io ôtely io, na ny zava-manitra tsy masina na ny sorona dorana na ny fanatitra, ary aza araraka eo ny fanatitra araraka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Aza manatitra ditin-kazo manitra tsy izy eo hianareo, na fanatitra odorana, na fanatitra hohanina; ary aza manidina fanatitra aidina eo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Aza manatitra ditin-kazo manitra tsy izy eo ianareo, na fanatitra dorana, na fanatitra hohanina; ary aza manidina fanatitra aidina eo.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

9 Aza manolotra ditin-kazo manitra tsy izy eo ianareo, na fanatitra dorana manontolo na fanatitra avy amin’ny zavamaniry; ary aza mandraraka fanatitra aidina eo.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 30:9
3 Rohy Ifampitohizana  

Indray mandeha isan-taona i Aharôna no hanadio azy; hapetrany eo amin’ny tandroky ny alitara ny ra nalaina avy tamin’ny biby natao sorona ahazoana famelan-keloka. Havaozina isan-taona io lanonana io eo amin’ny taranaka mifandimby. Voatokana ho Ahy TOMPO io alitara io, ka hanan-kasina fatratra.»


ary koa isan-kariva rehefa handrehitra ny jiro izy. Handoroana vovo-javamanitra tsy tapaka eo ho fanomezam-boninahitra Ahy TOMPO.


Tamin’izay kosa dia samy naka ny fanembohany avy ry i Nadaba sy i Abihò, zanakalahin’i Aharôna, ka nanisy vain’afo teo anatiny sy nametraka vovo-javamanitra teo ambonin’ny vain’afo ary nanolotra izany teo anatrehan’ny TOMPO: zavatra tsy mifanaraka amin’izay nandidian’ny TOMPO azy izany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra