Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 30:10 - DIEM PROTESTANTA

10 Indray mandeha isan-taona i Aharôna no hanadio azy; hapetrany eo amin’ny tandroky ny alitara ny ra nalaina avy tamin’ny biby natao sorona ahazoana famelan-keloka. Havaozina isan-taona io lanonana io eo amin’ny taranaka mifandimby. Voatokana ho Ahy TOMPO io alitara io, ka hanan-kasina fatratra.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Ary aoka hanao fanavotana eo amin’ireo tandrony indray mandeha isan-taona i Arona; indray mandeha isan-taona no hanaovany fanavotana ho azy amin’ny ran’ny fanatitra noho ny ota izay atao fanavotana, ary io dia hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby ka ho masina indrindra ho an’NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Indray mandeha isan-taona i Aharôna no hanadio azy; hapetrany eo amin’ny tandroky ny alitara ny ra nalaina avy tamin’ny biby natao sorona ahazoana famelan-keloka. Havaozina isan-taona io lanonana io eo amin’ny taranaka mifandimby. Voatokana ho Ahy TOMPO io alitara io, ka hanan-kasina fatratra.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

10 Eo amin’ny tandrok’io ôtely io no hanaovan’i Aarôna ny fanoneram-pahotana indray mandeha isan-taona; ny ran’ny sorona fanoneram-pahotana no hanaovany ny fanoneram-pahotana ao, indray mandeha isan-taona, hatramin’ny taranaka mifandimby. Ho masina indrindra amin’i Iaveh io ôtely io.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Ary aoka Arona hanao fanavotana eo amin’ny tandrony indray mandeha isan-kerintaona; amin’ny ran’ny fanatitra noho ny ota, izay atao fanavotana, indray mandeha isan-kerintaona, no hanaovany fanavotana eo, hatramin’ny taranakareo fara mandimby; ho masina indrindra ho an’i Jehovah izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Ary aoka Arona hanao fanavotana eo amin'ny tandrony indray mandeha isan-kerintaona; amin'ny ran'ny fanatitra noho ny ota, izay atao fanavotana, indray mandeha isan-kerintaona, no hanaovany fanavotana eo, hatramin'ny taranakareo fara mandimby; ho masina indrindra ho an'i Jehovah izany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

10 Ary aoka hanao fanavotana eo amin’ireo tandrony* indray mandeha isan-taona i Arona; indray mandeha isan-taona no hanaovany fanavotana ho azy amin’ny ran’ny fanatitra noho ny ota izay atao fanavotana, ary io dia hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby ka ho masina indrindra ho an’NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 30:10
18 Rohy Ifampitohizana  

Natahotra an’i Salômôna koa i Adônià, dia nitsangana ka lasa namikitra tamin’ny tandroky ny alitara.


Nomen’ny Israelita ho an’ny Levita ireo tanàna ireo sy ny kijàna samy manodidina azy.


Hoy indray ny TOMPO tamin’i Mosesy:


Aza manolotra vovo-javamanitra tsy sahaza eo, na sorona dorana manontolo, na fanatitra vokatry ny tany; tsy handrarahana fanatitra divay koa eo ambonin’io alitara io.


Ary hotontosain’i Aharôna ny fombam-pivavahana fanadiovana ny Toeramasina Indrindra, noho ny fahalotoana amam-pahadisoan’ny Israelita, araka ny fahotana rehetra vitany; toy izany koa no hataon’i Aharôna amin’ny faritra sisa ao amin’ny Tranolay fihaonana, izay mitoetra miaraka amin’ny Israelita sady eo afovoan’ny fahalotoany.


dia hivoaka hankeo amin’ny alitara eo anoloan’ny Tranolay fihaonana izy, ka hanao ny fombam-pivavahana fanadiovana io alitara io. Samy hangalany avy ny ran’ny ombilahy sy ny ran’ny osilahy hanentenany ny tandroky ny alitara eo amin’ny zorony efatra;


Ka hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: «Ilazao i Aharôna rahalahinao mba tsy hiditra ao amin’ny Toeramasina Indrindra, ambadiky ny efitra lamba, afa-tsy amin’ny andro sahaza ihany; ary ilazao koa izy tsy hankeo anoloan’ilay Vatamasina izay misy rakotra volamena eo amboniny, sao ho faty izy satria hiseho anaty rahona eo ambonin’io rakotra volamena io Aho.»


«Ny andro fahafolon’ny volana fahafito kosa dia andro fankalazana ny Famelàn-keloka; hisy fanompoam-pivavahana hivorianareo amin’izany, ary hifady hanina ianareo sady hanatitra sorona levonina amin’ny afo ho Ahy TOMPO.


Hakany koa io ra io hatentiny eo amin’ny tandroky ny alitara eo anoloan’ny Toeramasina Indrindra, alitara izay ao anatin’ny Tranolay fihaonana. Ary ny ra sisa rehetra dia haidiny eo am-pototry ny alitara fanaovan-tsorona dorana, alitara izay eo am-baravaran’ny Tranolay fihaonana.


Hotentenany ra koa ny tandroky ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra eo anoloan’ny Toeramasina Indrindra, alitara izay ao anatin’ny Tranolay fihaonana; ary ny ra sisa rehetra, avy amin’ilay ombilahy, dia haidiny eo am-pototry ny alitara fanaovan-tsorona dorana, alitara izay eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana.


Taratra mamirapiratry ny voninahitr’Andriamanitra sady famantarana velona izay tena toetra amam-pomban’Andriamanitra Izy; ary ny teniny manan-kery no ihazonany ny zavatra rehetra. Nony avy nanadio ny olona ho afaka amin’ny fahotany Izy, dia nipetraka any amin’ny avo indrindra eo ankavanan’ilay Andriamanitra lehibe.


Ny mpisorombe jiosy dia niditra tao amin’ny Toeramasina Indrindra isan-taona nitondra ram-biby; i Kristy kosa tsy niditra tao an-danitra mba hanolotra ny tenany matetika;


fa ao amin’ny tranolay faharoa kosa dia ny mpisorombe irery ihany no miditra ao indray mandeha isan-taona, sady mitondra ram-biby hatolony an’Andriamanitra ho fanalana ny hadisoana tsy nahy vitan’ny tenany sy vitan’ny vahoaka.


Dia nitsoka trompetra ilay anjely fahenina, ka nisy feo reko nivoaka avy tamin’ny zoro efatry ny alitara volamena izay teo anatrehan’Andriamanitra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra