dia nanomanany efitrano lehibe io Tôbià io, dia ilay efitrano nitehirizana hatrizay ny fanatitra vokatry ny tany sy ny vovo-javamanitra ary ny fanaka mbamin’ny ampahafolon’ny vary sy divay ary menaka; tao koa no nitehirizana ny fanatitra voatokana ho an’ny levita sy ny mpihira ary ny mpiandry varavarana mbamin’ny fanatitra navahana ho an’ny mpisorona.
Fa raha misy maka tahaka manamboatra mitovy aminy, ka manosotra azy amin’ny tenan’ny olon-tsotra, dia hoesorina tsy ho anisan’ny firenena israelita izy.»
ny alitara fandoroana vovo-javamanitra sy ny baony, ny ilomasina fanokanana, ny vovo-javamanitra hodorana, ny varavarana lamba eo amin’ny fidirana mankao amin’ny fonena-masina;
Iza moa irỳ miakatra avy any an-taniefitra tahaka ny setroka mitambolimbolina ho etona mandraradraraka miora sy emboka mamerovero ary fofon-javamanitra isan-karazany?
«Raha misy te hanolotra fanatitra vokatry ny tany ho an’ny TOMPO, dia lafarinina tsara indrindra no aoka hatolony; ary handrarahany menaka sy hasiany vovoka zava-manitra eo amboniny.
Hasianao vovoka zava-manitra madio eo ambonin’ny isan’antonta; dia izany vovoka zava-manitra izany no hatao solon’ny mofo ka holevonina amin’ny afo mba ho fanati-pahatsiarovana ho AHY.
«Raha tsy takatry ny fananan’ny olona indray ny domohina na voromahailala roa, dia koba lafarinina tsara, milanja telo kilao, no hoentiny ho fanatitra fanalana ny ota; tsy handrarahany menaka sady tsy hasiany vovoka zava-manitra izany, satria fanatitra fanalana ny ota.
I Elehazara zanakalahin’i Aharôna mpisorona no miandraikitra ny diloilon-jiro, ny ditin-kazo manitra, ny fanatitra hohanina fanao isan’andro ary ny diloilo fanosorana; miandraikitra ny Fonena-masina manontolo sy ny ao anatiny rehetra izy, na ny fitaovana masina izany na ny kojakoja rehetra momba azy.
Niditra tao an-trano ireo olon-kendry ka nahita ny zaza teny amin’i Maria reniny ary niankohoka teo anatrehan’ilay zaza ho fanajana azy. Rehefa izany, nanokatra ny vata fasiany rakitra ireto mpamangy ary nanolotra fanatitra ho azy: dia volamena sy ditin-kazo manitra ary miora.