Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Eksodosy 30:35 - DIEM PROTESTANTA

35 Mpamboatra zava-manitra no hampifangaroharo azy miaraka amin’ny sira mba hahatonga azy ho voatokana sy madio.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

35 Ary ataovy ditin-kazo manitra izany, dia zavatra aharoharo araka ny fanaon’ny mpanao haro manitra, misy sira, tsy misy fangarony, ary masina.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

35 Mpamboatra zava-manitra no hampifangaroharo azy miaraka amin’ny sira mba hahatonga azy ho voatokana sy madio.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

35 Dia ireo no hanamboaranao zava-manitra hanaovana ny fanembohana, voaharoharo araka ny asan’ny mpahay zava-manitra; asio sira izy, ary aoka ho madio sy masina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

35 Ary ataovy ditin-kazo manitra izy, dia zavatra aharoharo araka ny fanaon’ny mpangaroharo zava-manitra, dia asio sira izy, ary aoka ho madio sy masina.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

35 Ary ataovy ditin-kazo manitra izy, dia zavatra aharoharo araka ny fanaon'ny mpangaroharo zava-manitra, dia asio sira izy, ary aoka ho madio sy masina.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 30:35
13 Rohy Ifampitohizana  

Dia nalain’i Tsadôka mpisorona ny tandroka misy menaka tao amin’ny Tranolay Fihaonana ka nandrarahany tamin’ny lohan’i Salômôna ho fanosorana azy ho mpanjaka. Notsofina tamin’izay ny anjomara, ary ny vahoaka rehetra teo samy nihiaka hoe: «Ho ela velona anie i Salômôna mpanjaka!»


kanefa dia mpisorona no tena mpiandraikitra ny fampifangaroana zava-manitra.


Toy ny ilomanitra mby an-dohan’olona nasaina ka mitsororoka hatreny amin’ny somotra. Toy ny somotr’i Aharôna mpisorombe ka midina hatreny amin’ny vozon’akanjony.


«Ry Mosesy, hampiakanjoinao ireo fanamiana ireo i Aharôna zokinao sy ny zanany lahy ary hohosoranao diloilo ny lohany, dia hapetrakao amin’ny toerany izy; toy izany no hanokananao azy hanompo Ahy amin’ny maha mpisorona azy.


Mpamboatra zava-manitra no hampifangaroharo azy hanjary ilomasina hampiasaina amin’ny lanonana fanokanana.


Hoy koa ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Makà zava-manitra ianao: dia natafa, ôniksa, galbanoma, ary ramy madio. Ataovy mitovy fatra ireo.


Hotorotoroina ho vovoka madinika izany ka hampiasaina ao amin’ny Tranolay fihaonana, manoloana ny Vatamasina izay toerana hihaonako aminao. Hanan-kasina miavaka aminareo izany.


Ny menaka fanosotra sy ny ranomanitra dia mahafaly ny fo fa ny fahoriana mampisafotofoto ny fanahy.


ary koa mamerovero mihoatra noho ireo ilomanitrao. Ianao dia mahasintona mihoatra noho ny ilomanitra voafantina; koa izany no itiavan’ireo zatovovavy anao.


Iza moa irỳ miakatra avy any an-taniefitra tahaka ny setroka mitambolimbolina ho etona mandraradraraka miora sy emboka mamerovero ary fofon-javamanitra isan-karazany?


dia haka fanembohana nofenoina vain’afo avy amin’ilay alitara izay ao amin’ny Toeramasina sy haka vovoka ditin-kazo manitra eran-tanan-droa, ka hitondra izany rehetra izany ao anatin’ny Toeramasina Indrindra.


«Samy asio sira ny fanatitra rehetra atolotrao. Ny sira dia famantarana ny fanekempihavanana nataon’ilay Andriamanitrao; ka aza avela tsy hisy sira ny fanatitrao, fa manolora sira miaraka amin’ny fanatitrao rehetra.


Tamin’izay i Maria dia naka ilomanitra sarobidy, natao tamin’ny narda, lànjana ampahatelon-kilao. Nanosotra ny tongotr’i Jesoa izy, dia namaoka ny tongony tamin’ny volon-dohany ka heraka ny fofona mamerovero avy amin’ilay ilomanitra ny trano.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra