Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 29:30 - DIEM PROTESTANTA

30 Ny mpisorona hisolo an’i Aharôna dia hitondra ireo akanjo ireo mandritra ny fito andro, rehefa miditra ao amin’ny Tranolay fihaonana mba hanatanteraka ny raharahany ao amin’ny Toeramasina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

30 Hiakanjo azy hafitoana izay iray amin’ny zanany ho mpisorona handimby azy, dia izay miditra ao amin’ny tranolay fihaonana hanao fanompoam-pivavahana ao amin’ny fitoerana masina.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

30 Ny mpisorona hisolo an’i Aharôna dia hitondra ireo akanjo ireo mandritra ny fito andro, rehefa miditra ao amin’ny Tranolay fihaonana mba hanatanteraka ny raharahany ao amin’ny Toeramasina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

30 ka hitafy izany mandritra ny hafitoana, izay anankiray amin’ny zanany ho tonga mpisorona handimby azy; dia izay hiditra ao an-trano lay fihaonana, hanao ny fanompoam-pivavahana ao amin’ny fitoerana masina.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

30 Hiakanjo azy hafitoana izay anankiray amin’ny zanany ho mpisorona handimby azy, dia izay miditra amin’ny trano-lay fihaonana hanao fanompoam-pivavahana ao amin’ny fitoerana masina.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

30 Hiakanjo azy hafitoana izay anankiray amin'ny zanany ho mpisarona handimby azy, dia izay miditra amin'ny trano-lay fihaonana hanao fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 29:30
17 Rohy Ifampitohizana  

Mbola niandry herinandro izy vao nandefa ilay voromahailala fanindroany.


Dia mbola niandry herinandro indray izy vao nandefa ilay voromahailala izay tsy niverina intsony kosa.


«Mandritra ny fito andro no hihinananareo ny mofo tsy misy leviora. Raha vao amin’ny andro voalohany dia efa esory tsy ho ao an-tranonareo ny leviora. Fa na iza na iza mihinana mofo misy leviora, manomboka amin’ny andro voalohany ka hatramin’ny andro fahatelo, dia hofongorana tsy ho anisan’ny vahoaka israelita izy.


«Rehefa maty i Aharôna, dia hafindra amin’ny taranany ny fanamiana masina; ka ireo no hiakanjo azy amin’ny andro hanokanana sy hametrahana azy amin’ny raharahany.


«Halaina ny ondrilahy fanokanana, ilay faharoa, dia handrahoina ao amin’ny toerana iray voatokana ny henany.


«Mifanaraka tanteraka amin’ny torolalana efa nomeko anao no hataonao amin’i Aharôna sy ny zanany. Haharitra fito andro ny lanonana fametrahana azy amin’ny asany.


Koa mandritra ny fito andro no hanaovam-panavotana ny alitara ka hanadiovana azy sy hanokanana azy.


Hozahan’ny mpisorona izy amin’ny andro fahafito; ka raha hitany fa tsy mitombo ny aretina sady tsy manitatra eo amin’ny hoditra, dia hatokany toerana fanindroany mandritra ny fito andro izy.


«Any aoriana any, dia ny mpisorona izay voahosotra sy voatokana ho mpisorombe hisolo ny rainy no hanao ireo fombam-pivavahana famelan-keloka sy fanadiovana ireo; ny fanamiana masina, ireo fanamiana vita kiran-drongony fotsy, no hiakanjoany amin’izany;


Tamin’ny andro fahavalo, dia nampanalain’i Mosesy i Aharôna sy ny zanany ary ny loholon’i Israely,


Dia nanatona ny alitara i Aharôna ka namono ny ombilahikely hatao fanalana ny ota ho an’ny tenany.


Nesorin’i Mosesy ny akanjo fisoronana teny amin’i Aharôna ka nampanaovina an’i Elehazara zanany; ary maty teo an-tampon’ny tendrombohitra i Aharôna. Avy eo i Mosesy sy i Elehazara dia nidina ny tendrombohitra.


Eny, Mpisorombe natao ho antsika tokoa i Jesoa: masina, tsy misy faharatsiana na fahotana ao aminy, voasaraka tamin’ny mpanota ka nasandratra avo noho ny lanitra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra