Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 29:3 - DIEM PROTESTANTA

3 Ataovy ao anaty harona iray ireo, ary ento ao amin’ny Toeramasina miaraka amin’ny vantotr’ombilahy sy ny ondrilahy roa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Ataovy ao anaty harona iray ireny ka ento amin’io harona io; ary ny vantotra ombilahy sy ny ondrilahy roa dia ento koa.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 Ataovy ao anaty harona iray ireo, ary ento ao amin’ny Toeramasina miaraka amin’ny vantotr’ombilahy sy ny ondrilahy roa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 Ataovy an-tsobika iray ihany izy, dia atero izany ao anatin’ny sobika miaraka amin’ny vantotr’ombalahy iray sy ny ondralahy roa.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Ary ataovy eo anaty harona iray izy, ka ento amin’ny harona; ary ny vantotr’ombilahy sy ny ondrilahy roa dia ento koa.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Ary ataovy eo anaty harona iray izy, ka ento amin'ny harona; ary ny vantotr'ombilahy sy ny ondrilahy roa dia ento koa.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

3 Ataovy ao anaty harona iray ireny ka ento amin’io harona io; ary ny vantotra ombilahy sy ny ondrilahy roa dia ento koa.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 29:3
6 Rohy Ifampitohizana  

Makà kobam-barimbazaha, ka manaova mofo tsy misy leviora, mofo mamy misy diloilo saingy tsy misy leviora, ary mofo manify tsy misy leviora sady voararaka diloilo.


«Ento hankeo am-baravaran’ny Tranolay fihaonana i Aharôna sy ireo zanany lahy, dia ampandroy amin’ny rano fandroana.


–Antsoy i Aharôna sy ny zanany miaraka aminy, hankeo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana; asaovy entina ny fanamiana masina, ny menaka fanosorana, ny ombilahy hatao sorona fanalana ny ota, ny ondrilahy roa ary ny harona nasiana mofo tsy misy leviora.


Ilay harona nasiany mofo tsy misy leviora, harona izay napetraka teo anatrehan’ny Toeramasin’ny TOMPO, dia nangalan’i Mosesy mofomamy anankiray tsy misy leviora, sy mofomamy anankiray voaisy menaka, ary mofo manify anankiray; ka nataony teo ambonin’ny tavin-kenan’ilay ondrilahy mbamin’ny feny ankavanana ireo mofo ireo.


Ary hoy i Mosesy tamin’i Aharôna sy ny zanany: –Andrahoy eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana ny henan’ilay ondrilahy faharoa; ary eo no hihinananareo azy mbamin’ny mofo izay ao anatin’ny harona misy ny fanati-panokanana, araka izay nandidiako anareo.


Ny ondrilahy kosa dia hatolony amin’ny TOMPO ho sorom-pihavanana miaraka amin’ny mofo tsy misy leviora iray harona. Ary hatolony farany ny fanatitra lafarinina sy divay.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra