Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 29:23 - DIEM PROTESTANTA

23 Hakanao mofo boribory iray sy mofomamy misy diloilo iray, ary mofo manify iray avy ao amin’ny harona misy ny mofo tsy misy leviora izay apetraka eo anatrehako Izaho TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

23 ary makà mofo iray, dia mofo iray voaisy diloilo, mofo manify iray izay eo amin’ny harona misy ny mofo tsy misy masirasira, izay eo anatrehan’NY TOMPO;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

23 Hakanao mofo boribory iray sy mofomamy misy diloilo iray, ary mofo manify iray avy ao amin’ny harona misy ny mofo tsy misy leviora izay apetraka eo anatrehako Izaho TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

23 Ao amin’ny sobika misy ny mofo tsy misy lalivay voapetraka eo anatrehan’i Iaveh, dia angalao vonga-mofo iray sy mofo mamy miharo diloilo iray ary mofo mamy manify iray.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

23 ary manalà iray amin’ny mofo sy iray amin’ny mofo voaisy diloilo ary iray amin’ny mofo manify izay eo amin’ny harona misy ny mofo tsy misy masirasira, izay eo anatrehan’i Jehovah;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

23 ary manala iray amin'ny mofo sy iray amin'ny mofo voaisy diloilo ary iray amin'ny mofo manify izay eo amin'ny harona misy ny mofo tsy misy masirasira, izay eo anatrehan'i Jehovah;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

23 ary makà mofo iray, dia mofo iray voaisy diloilo, mofo manify iray izay eo amin’ny harona misy ny mofo tsy misy masirasira, izay eo anatrehan’NY TOMPO;

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 29:23
4 Rohy Ifampitohizana  

Ny ondrilahy faharoa dia mariky ny fametrahana ny mpisorona amin’ny raharahany. Koa halainao ny hofany, ny sabora mandrakotra ny tsinainy sy ny saron’atiny, ny voany roa mbamin’ny sabora eo aminy, ary ny sorony havanana.


Hapetrakao eo am-pelatanan’i Aharôna sy ny zanany ireo, ka hasainao ahevahevany eo anatrehako ho fanatitra ahevaheva.


Ilay harona nasiany mofo tsy misy leviora, harona izay napetraka teo anatrehan’ny Toeramasin’ny TOMPO, dia nangalan’i Mosesy mofomamy anankiray tsy misy leviora, sy mofomamy anankiray voaisy menaka, ary mofo manify anankiray; ka nataony teo ambonin’ny tavin-kenan’ilay ondrilahy mbamin’ny feny ankavanana ireo mofo ireo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra