Eksodosy 29:22 - DIEM PROTESTANTA22 Ny ondrilahy faharoa dia mariky ny fametrahana ny mpisorona amin’ny raharahany. Koa halainao ny hofany, ny sabora mandrakotra ny tsinainy sy ny saron’atiny, ny voany roa mbamin’ny sabora eo aminy, ary ny sorony havanana. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201122 Alao indray ny jaboran’ny ondrilahy sy ny hofany ary ny jabora mandrakotra ny taovany sy ny ila atiny lehibe sy ny voany roa mbamin’ny jabora mandrakotra azy ary ny feny havanana, fa ondrilahy fanokanana io; Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara22 Ny ondrilahy faharoa dia mariky ny fametrahana ny mpisorona amin’ny raharahany. Koa halainao ny hofany, ny sabora mandrakotra ny tsinainy sy ny saron’atiny, ny voany roa mbamin’ny sabora eo aminy, ary ny sorony havanana. Jereo ny tokoBaiboly Katolika22 «Halainao ny saboran’ny ondralahy, ny hofany, ny safodrorohany, ny saron’atiny, ny voany roa mbamin’ny fonom-boany ary ny sorony havanana, fa ondralahy fanokanana io. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy22 Ary alao ny saboran’ny ondrilahy sy ny hofany sy ny safo-drorohany sy ny ila-atiny lehibe sy ny voany roa mbamin’ny fonom-boany ary ny soroka ankavananan; fa ondrilahy fanokanana izy; Jereo ny tokoMalagasy Bible22 Ary alao ny saboran'ny ondrilahy sy ny hofany sy ny safo-drorohany sy ny ila-atiny lehibe sy ny voany roa mbamin'ny fonom-boany ary ny soroka ankavanana; fa ondrilahy fanakanana izy; Jereo ny toko |
Ireo didin-kena avy amin’ny sorom-pihavanana ataon’ny Israelita, izany hoe ny tratrany izay nahevaheva no fomba fanolorana azy sy ny feny izay navahana manokana, dia eo amina toerana madio no hihinananareo azy; ianao sy ny taranakao lahy ary ny taranakao vavy koa aza no hihinana azy fa nomena ho anjaranao sy ny taranakao ireo didin-kena ireo.
Nalain’ilay mpahandro ny fen’ondry miaraka amin’ny hofany ka narosony teo anoloan’i Saoly. Dia hoy i Samoela tamin’i Saoly: –Indro eo anatrehanao ny anjara voatokana ho anao amin’izao andro lehibe izao, ka mihinàna miaraka amin’ireto vahiny nasaiko ireto. Koa tamin’izay andro izay, dia niara-nihinana tamin’i Samoela i Saoly.