Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 29:23 - Baiboly Katolika

23 Ao amin’ny sobika misy ny mofo tsy misy lalivay voapetraka eo anatrehan’i Iaveh, dia angalao vonga-mofo iray sy mofo mamy miharo diloilo iray ary mofo mamy manify iray.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

23 ary makà mofo iray, dia mofo iray voaisy diloilo, mofo manify iray izay eo amin’ny harona misy ny mofo tsy misy masirasira, izay eo anatrehan’NY TOMPO;

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

23 Hakanao mofo boribory iray sy mofomamy misy diloilo iray, ary mofo manify iray avy ao amin’ny harona misy ny mofo tsy misy leviora izay apetraka eo anatrehako Izaho TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

23 Hakanao mofo boribory iray sy mofomamy misy diloilo iray, ary mofo manify iray avy ao amin’ny harona misy ny mofo tsy misy leviora izay apetraka eo anatrehako Izaho TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

23 ary manalà iray amin’ny mofo sy iray amin’ny mofo voaisy diloilo ary iray amin’ny mofo manify izay eo amin’ny harona misy ny mofo tsy misy masirasira, izay eo anatrehan’i Jehovah;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

23 ary manala iray amin'ny mofo sy iray amin'ny mofo voaisy diloilo ary iray amin'ny mofo manify izay eo amin'ny harona misy ny mofo tsy misy masirasira, izay eo anatrehan'i Jehovah;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

23 ary makà mofo iray, dia mofo iray voaisy diloilo, mofo manify iray izay eo amin’ny harona misy ny mofo tsy misy masirasira, izay eo anatrehan’NY TOMPO;

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 29:23
4 Rohy Ifampitohizana  

«Halainao ny saboran’ny ondralahy, ny hofany, ny safodrorohany, ny saron’atiny, ny voany roa mbamin’ny fonom-boany ary ny sorony havanana, fa ondralahy fanokanana io.


Dia hapetrakao eo amin’ny felatanan’i Aarôna sy amin’ny felatanan’ny zanany avokoa ireo zavatra ireo, ka hahevahevanao ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’i Iaveh.


Ny sobika nisy ny mofo tsy misy lalivay izay napetraka teo anatrehan’i Iaveh, nangalany mofomamy tsy misy lalivay iray, mofomamy misy diloilo iray, ary mofo manify iray, napetrany teo ambonin’ny sabora sy ny fe havanana,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra