Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 28:32 - DIEM PROTESTANTA

32 Hasiana vavany eo afovoany mba hidiran’ny loha, ka hotenomina sy hohamafisina ny sisiny manodidina io vavany io mba tsy ho rovitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

32 Asio vozony eo afovoany ary aoka hisy sisiny voatenona manodidina ny vozony, tahaka ny vozon’ny akanjo fiarovan-tratra, mba tsy haharovitra azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

32 Hasiana vavany eo afovoany mba hidiran’ny loha, ka hotenomina sy hohamafisina ny sisiny manodidina io vavany io mba tsy ho rovitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

32 Asio vozony, eo afovoany, hidiran’ny loha, ary hisy sisiny manodidina io vozony io ka ho voatenona toy ny fanao amin’ny vozon’akanjo fiarovan-tratra, mba tsy ho rovitra ny akanjo lava.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

32 Ary asio vozony eo afovoany, ary aoka hisy sisiny voatenona manodidina ny vozony, tahaka ny vozon’ny akanjo fiarovan-tratra, mba tsy hahatriatra azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

32 Ary asio vozony eo afovoany, ary aoka hisy sisiny voatenona manodidina ny vozony, tahaka ny vozon'ny akanjo fiarovan-tratra, mba tsy hahatriatra azy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

32 Asio vozony eo afovoany ary aoka hisy sisiny voatenona manodidina ny vozony, tahaka ny vozon’ny akanjo fiarovan-tratra, mba tsy haharovitra azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 28:32
9 Rohy Ifampitohizana  

Isaky ny hiantafika ireo, dia efa nanomanan’i Hozià ampinga sy lefona, satro-by fiarovan-doha sy akanjo vy fiarovan-tratra, ary tsipîka sy vaton’antsamotady.


Tamin’izany andro izany, dia hoy koa aho tamin’ny vahoaka: –Samia mitoetra eto Jerosalema ianareo mbamin’ny mpanomponareo mba hiambina antsika raha alina ary hiasa raha antoandro.


Bandrininy avokoa ny biby goavana; izy no mpanjakan’ny biby masiaka rehetra.


«Ny akanjo lava ivelany izay hitondran’i Aharôna ny efôda dia hatao manontolo amin’ny volon’ondry miloko volomparasy.


Ny moron-tongotr’akanjo manodidina dia horavahana sarin’ampongabendanitra vita amin’ny volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky, sady hasiana lakolosy kely volamena.


Nasiana vavany teo afovoany mba hidiran’ny loha, ka notenomina sy nohamafisina ny sisiny manodidina io vavany io mba tsy ho rovitra.


notenomina toy izany koa ny fehiloha, ny lamba nanaovana ny satroka boribory, ary ny pataloha.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra