Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Eksodosy 28:33 - DIEM PROTESTANTA

33 Ny moron-tongotr’akanjo manodidina dia horavahana sarin’ampongabendanitra vita amin’ny volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky, sady hasiana lakolosy kely volamena.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

33 Asio sarin’ampongabendanitra miloko manga, volomparasy, jaky, manodidina eny amin’ny moron-tongony, ary lakolosy kely volamena kosa eo anelanelany manodidina;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

33 Ny moron-tongotr’akanjo manodidina dia horavahana sarin’ampongabendanitra vita amin’ny volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky, sady hasiana lakolosy kely volamena.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

33 Ny moron-tongony asio sarin’ampongabendanitra jaky volomparasy sy jaky mangatrakatraka ary lamba mena antitra, amin’ny morony ambany, atao manodidina, elanelanin’ny lakolosy kely volamena manodidina hatrany:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

33 Ary asio sarin’ampongabendanitra manga sy volomparasy sy mena manodidina eny amin’ny morontongony, ary famohamandry volamena kosa eo anelanelany manodidina:

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

33 Ary asio sarin'ampongaben-danitra manga sy volomparasy sy mena manodidina eny amin'ny moron-tongony, ary famohamandry volamena kosa eo anelanelany manodidina:

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 28:33
7 Rohy Ifampitohizana  

Nohaingoiny sarin’ampongabendanitra nisy andalana roa koa teo amin’ny harato mandrakotra ny koronosy.


Ny andry tsirairay dia sivy metatra ny haavony ary misy lohany halimo izay mahatratra iray metatra sy sasany ny haavony sady voaravaka harato sy ampongabendanitra halimo ny manodidina azy. Mitovy ireo andry roa sy ny ravaka natao taminy.


Toy ny ilomanitra mby an-dohan’olona nasaina ka mitsororoka hatreny amin’ny somotra. Toy ny somotr’i Aharôna mpisorombe ka midina hatreny amin’ny vozon’akanjony.


Hasiana vavany eo afovoany mba hidiran’ny loha, ka hotenomina sy hohamafisina ny sisiny manodidina io vavany io mba tsy ho rovitra.


Ny sarin’ampongabendanitra dia hifanelanelana amin’ny lakolosy kely.


Amin’izany andro izany, na dia ny lakolosin-tsoavaly aza dia hisy soratra hoe: «Voatokana ho an’ny Tompo». Ny vilany tsotra ao amin’ny tempoly dia hoheverina ho masina tahaka ny tsatokaty famafazana izay eo anoloan’ny alitara.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra