Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 28:31 - DIEM PROTESTANTA

31 «Ny akanjo lava ivelany izay hitondran’i Aharôna ny efôda dia hatao manontolo amin’ny volon’ondry miloko volomparasy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

31 Ataovy lamba manga avokoa ny akanjobe misy ny efoda.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

31 «Ny akanjo lava ivelany izay hitondran’i Aharôna ny efôda dia hatao manontolo amin’ny volon’ondry miloko volomparasy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

31 «Ataovy amin’ny jaky volomparasy ny akanjo lavan’ny efôda manontolo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

31 Ary ny akanjo ivelany misy ny efoda dia ataovy manga avokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

31 Ary ny akanjo ivelany misy ny efoda dia ataovy manga avokoa.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 28:31
7 Rohy Ifampitohizana  

Hatohy tady volomparasy ny haban’ny saron-tratra sy ny haban’ny efôda mba ho eo ambonin’ny beritelon’ny efôda ilay saron-tratra ka tsy hifindrafindra eo amin’ny efôda.


Hasiana vavany eo afovoany mba hidiran’ny loha, ka hotenomina sy hohamafisina ny sisiny manodidina io vavany io mba tsy ho rovitra.


Ireo fanamiana izay hataony dia ny saron-tratra, ny efôda, ny akanjo lava ivelany, ny akanjo vita peta-kofehy, ny satroka fehiloha ary ny fehikibo. Hanaovan’i Aharôna rahalahinao sy ny taranany ireo rehefa manao fisoronana amiko izy.


Avy eo dia ampiakanjoy an’i Aharôna ny fanamiana voatokana: dia ny akanjo lava ivelany, ny akanjo vita peta-kofehy, ny efôda ary ny saron-tratra, ka afatory ny samboadin’ny efôda.


Dia nampiakanjoiny an’i Aharôna ny akanjo lava anatiny sady noetràny fehikibo; avy eo nampiakanjoiny azy ny akanjo lava ivelany ary ny efôda no nataony teo amboniny, efôda izay nogiaziny tamin’ny fatorany ka natafiny azy.


Isan-taona ny renin’i Samoela dia nanjaitra akanjo kely izay fentiny ho an-janany rehefa niaraka tamin’ny vadiny nankany Silao hanatitra ny sorona fanao isan-taona izy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra