Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 15:27 - DIEM PROTESTANTA

27 Avy eo dia tonga tao Elima ny Israelita; nisy loharano 12 sy rofia fitopolo tao, ka nitoby teo akaikin’ny rano izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

27 Dia tonga tao Elima izy ireo; tao no nisy loharano roa amby folo sy hazo daty fitopolo, dia nitoby teo anilan’ny rano izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

27 Avy eo dia tonga tao Elima ny Israelita; nisy loharano 12 sy rofia fitopolo tao, ka nitoby teo akaikin’ny rano izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

27 Dia tonga teo Elima izy ireo, izay nisy loharano roa ambin’ny folo sy foto-palma fitopolo, ka nitoby teo akaikin’ny rano izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

27 ARY tonga tao Elima izy; ary tao nisy loharano roa ambin’ny folo sy hazo rofia fito-polo, dia nitoby teo anilan’ny rano izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

27 Ary tonga tao Elima izy; ary tao nisy loharano roa ambin'ny folo sy hazo rofia fito-polo, dia nitoby teo anilan'ny rano izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

27 Dia tonga tao Elima izy ireo; tao no nisy loharano roa amby folo sy hazo daty fitopolo, dia nitoby teo anilan’ny rano izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 15:27
7 Rohy Ifampitohizana  

Ampandrîny eo amin’ny ahi-maitso aho ary entiny eo amin’ny rano mahafa-tsasatra,


Niala tao Elima ny vahoaka Israelita manontolo, ka tonga tao amin’ny taniefitra Sina, eo anelanelan’i Elima sy ny tendrombohitra Sinay, tamin’ny volana faharoa, andro faha-15 taorian’ny nialany tany Ejipta.


Amim-pifaliana no hantsakanareo eo amin’ny loharanom-pamonjena.


Ary eny amoron’ny ony an-daniny roa dia hanirian’ny hazo fihinam-boa isan-karazany. Tsy halazo na oviana na oviana ny raviny ary tsy hitsahatra ny voany, fa hamoa isam-bolana izy satria voatondrak’ilay rano mivoaka avy ao amin’ny tempoly. Ny voany dia hatao sakafo, ary ny raviny hatao fanafody.»


Niala tao Marà ny Israelita, dia nankany Elimà izay nisy loharano 12 sy foto-drofia fitopolo, ka nitoby tao;


Teo anelanelan’ny lalamben’ny tanàna etsy an-kilany ary ny ony etsy an-daniny, dia nisy hazo anankiray manome fiainana: io hazo io dia mamoa voa in-12 isan-taona, izany hoe indray mandeha isam-bolana; ary ny raviny dia hanasitranana ny firenena.


Fa ny Zanakondry Izay mipetraka eo afovoan’ny sezafiandrianana no ho Mpiandry azy ka hitondra azy ho amin’ny loharano velona; ary hofafàn’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny masony.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra