Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 12:39 - DIEM PROTESTANTA

39 Dia nendasiny ho mofo tsy misy leviora ny koba voalena izay nentiny nivoaka avy tany Ejipta; fa tsy mbola voaisy leviora akory ny koba dia noroahin’ny Ejiptianina ny Israelita, ka tsy afaka nitaredretra mba hanomana vatsy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

39 Dia nanendy mofo tsy nisy masirasira tamin’ny koba nohamandoina izay noentiny avy tany Ejipta izy ireo; tsy mbola tonga masirasira ilay izy satria noroahina tany Ejipta izy ireo ka tsy nahazo nitaredretra, tsy nisy fotoana hanomanana vatsy akory.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

39 Dia nendasiny ho mofo tsy misy leviora ny koba voalena izay nentiny nivoaka avy tany Ejipta; fa tsy mbola voaisy leviora akory ny koba dia noroahin’ny Ejiptianina ny Israelita, ka tsy afaka nitaredretra mba hanomana vatsy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

39 Nandrahoiny nataony mofo fisaka tsy voaisy lalivay ny koba nentiny avy any Ejipta, fa tsy voaisy lalivay, satria noroahina izy tany Ejipta ka tsy nahazo niatoato na naka vatsy hoentiny akory.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

39 Dia nanendy mofo tsy nisy masirasira tamin’ny koba voalena izay nentiny avy tany Egypta izy: fa tsy mbola voaisy masirasira izany, satria noroahina tany Egypta izy ka tsy nahazo nijanona sady tsy nahafehy vatsy ho azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

39 Dia nanendy mofo tsy nisy masirasira tamin'ny koba voalena izay nentiny avy tany Egypta izy: fa tsy mbola voaisy masirasira izany, satria noroahina tany Egypta izy ka tsy nahazo nijanona sady tsy nahafehy vatsy ho azy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

39 Dia nanendy mofo tsy nisy masirasira tamin’ny koba nohamandoina izay noentiny avy tany Ejipta izy ireo; tsy mbola tonga masirasira ilay izy satria noroahina tany Ejipta izy ireo ka tsy nahazo nitaredretra, tsy nisy fotoana hanomanana vatsy akory.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 12:39
5 Rohy Ifampitohizana  

Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Mbola asiako loza iray farany ny Farao sy ny Ejiptianina. Aorian’izany vao halefany handeha ianareo; ary horoahiny tanteraka aza ianareo hiala eto.


Noho izany, dia nentin’ny Israelita ny kobany efa voalona mbola tsy nisy leviora akory, ary nofonosiny lamba ny tavy mofo ka nataony an-tsoroka.


Fa namaly an’i Mosesy ny TOMPO hoe: –Ankehitriny vao ho hitanao izay hataoko amin’ny Farao, fa noho ny herin-tsandriko dia havelany handeha ny Israelita; eny, noho ny herin-tsandriko, dia horoahiny hiala amin’ny taniny izy ireo!


Ary nilaza fanoharana hafa koa tamin’ny vahoaka i Jesoa ka nanao hoe: –Ny Fanjakàn’ny lanitra dia tahaka ny leviora nalain’ity vehivavy anankiray ary nampifangaroiny tamin’ny koba eran’ny kovetabe mandra-pibohaky ny koba manontolo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra