Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 12:27 - DIEM PROTESTANTA

27 dia hovalianareo hoe: «Sorona atolotra ny TOMPO amin’ny andro Paska io. Fony mbola tany Ejipta manko ny Israelita, dia nanafay ny Ejiptianina ny TOMPO, fa nandalo fotsiny kosa teo anoloan’ny tranonay ka nanafaka ny fianakavianay.» Dia niankohoka ny vahoaka israelita mba hivavaka amin’ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

27 Dia holazainareo hoe: Izao dia famonoana ny Paska an’NY TOMPO, izay nandalo fotsiny ny tranon’ny Zanak’Israely tany Ejipta; raha namely ny Ejiptiana Izy dia namonjy ny tao an-tranontsika kosa. Dia niankohoka tamin’ny tany ny olona ka nivavaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

27 dia hovalianareo hoe: «Sorona atolotra ny TOMPO amin’ny andro Paska io. Fony mbola tany Ejipta manko ny Israelita, dia nanafay ny Ejiptianina ny TOMPO, fa nandalo fotsiny kosa teo anoloan’ny tranonay ka nanafaka ny fianakavianay.» Dia niankohoka ny vahoaka israelita mba hivavaka amin’ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

27 Dia hovalinareo hoe: Izao no soron’ny Paka, fankalazana an’i Iaveh, fa nolalovany fotsiny ny tranon’ny zanak’i Israely tany Ejipta, fony namely an’i Ejipta, fa namonjy ny tranontsika kosa. Dia niondrika ny vahoaka ary niankohoka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

27 dia holazainareo hoe: Izao dia famonoana ny Paskan’i Jehovah, Izay nandalo ny tranon’ny Zanak’Isiraely tany Egypta, raha namely ny Egyptiana Izy, fa namonjy ny tao an-tranontsika. Dia niondrika ny olona ka nivavaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

27 dia holazainareo hoe: Izao dia famonoana ny Paskan'i Jehovah, Izay nandalo ny tranon'ny Zanak'Isiraely tany Egypta, raha namely ny Egyptiana Izy, fa namonjy ny tao an-tranontsika. Dia niondrika ny olona ka nivavaka.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

27 Dia holazainareo hoe: Izao dia famonoana ny Paska an’NY TOMPO, izay nandalo fotsiny ny tranon’ny Zanak’Israely tany Ejipta; raha namely ny Ejiptiana Izy dia namonjy ny tao an-tranontsika kosa. Dia niankohoka tamin’ny tany ny olona ka nivavaka.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 12:27
18 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy i Davida tamin’ny olona rehetra tafangona teo: –Aoka ianareo hankalaza ny TOMPO Andriamanitrareo! Dia nankalazain’izy rehetra ilay TOMPO Andriamanitry ny razany; sady niondrika izy ka niankohoka teo anatrehan’ny TOMPO sy teo anatrehan’ny mpanjaka.


Dia niankohoka tamin’ny tany i Jôsafata; ary ny Jodeanina rehetra sy ny mponin’i Jerosalema koa dia niankohoka teo anatrehan’ny TOMPO mba hitsaoka AZY.


Ary i Hezekià sy ny manampahefana dia nanainga ny levita mbola hidera ny Tompo tamin’ny tononkiran’i Davida sy ny an’i Asafa mpahita; ka nihira fiderana tamin-kafaliana izy, avy eo dia niondrika sy niankohoka hitsaoka ny TOMPO.


Nisaotra ny TOMPO Andriamanitra lehibe i Hezrà; ary nanandra-tanana ny vahoaka rehetra ka namaly hoe: «Amen!» Avy eo izy ireo dia niondrika sady niankohoka nitehi-tany teo anatrehan’ny TOMPO.


Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira; tononkalo fananarana nataon’ireo terak’i Kôra.


Nampijoro fitsipika ho an’ny vahoakany Izy ary nametraka lalàna teo amin’i Israely, ka nandidy ny razantsika mba hampianatra izany tantara izany amin’ireo zanany.


Ary mba hahazoanao mitantara amin’ny zanaka aman-jafinao ny nampijaliako ny Ejiptianina ka nanatanterahako ireo zava-mahagaga tao amin’ny taniny. Ho fantatrareo amin’izay fa Izaho no TOMPO.


Ary toy izao no hataonareo rehefa mihinana azy: asio sikina ny akanjonareo, anaovy ny kapanareo ary ataovy an-tanana ny tehinareo, dia hano faingana izany fa Paska ho an’ny TOMPO.


Fa handalo mba hanafay ny Ejiptianina ny TOMPO; koa raha mahita ny ra eo amin’ny tataom-baravarana sy ny tolam-baravarana roa ny TOMPO dia handalo ny varavaranareo fotsiny fa tsy hamela ny areti-mandringana hiditra ao an-tranonareo.


Avy eo dia lasa izy ireo ka nanatanteraka araka izay rehetra nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy sy i Aharôna.


Koa rehefa manontany anareo ny zanakareo any aoriana hoe: «Inona no anton’izao?», dia hovalianareo hoe: «Tamim-pahefana mahery no namoahan’ny TOMPO anay hiala tany Ejipta izay toera-nanandevozana anay.


Mandritra io fety io no hitantaranareo amin’ny zanakareo hoe: «Izao no ataonay dia noho izay nataon’ny TOMPO taminay fony izahay niala tany Ejipta.»


«Aza ampiarahina amin’ny mofo misy leviora ny sorona alatsa-dra, ary aza avela ho tra-maraina ny henan’ny sorona atao harivan’ny fetin’ny Paska.


Dia niankohoka haingana hatreo amin’ny tany i Mosesy mba hitsaoka ny TOMPO,


Nino ny vahoaka ary nahatakatra fa efa nahita ny fahoriany tokoa ny TOMPO, ka nanao izay hanafahana azy. Dia niondrika ny Israelita mba hitsaoka ny Tompo.


Esory io leviora tranainy io, izany hoe ny fahotana, mba ho madio tokoa ianareo; dia ho tonga koba vaovao tsy misy leviora, satria izany rahateo ianareo. Eny, efa voavono i Kristy ilay Zanakondrin’ny Paska ho antsika:


Koa hatolotrareo ho an’ny TOMPO Andriamanitrareo ny sorom-pihavanana fanao amin’ny Paska, dia ondry aman’osy na omby, eo amin’ny toerana izay hofidin’ny TOMPO mba hipetrahan’ny voninahiny.


Tsy ho azonareo anaovana ny soron’ny Paska avokoa tsy akory ny tanàna rehetra izay omen’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra