Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 12:19 - DIEM PROTESTANTA

19 Fito andro no tsy tokony hahitana leviora ao an-tranonareo; fa na iza na iza mihinana sakafo misy leviora, na vahiny na Israelita, dia hofongorana tsy ho anisan’ny fiangonan’i Israely izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

19 Hafitoana no tsy hisiana masirasira ao an-tranonareo; fa na iza na iza homana izay misy masirasira dia hofongorana tsy ho eo amin’ny fiangonan’ny Israely, na vahiny na tompon-tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

19 Fito andro no tsy tokony hahitana leviora ao an-tranonareo; fa na iza na iza mihinana sakafo misy leviora, na vahiny na Israelita, dia hofongorana tsy ho anisan’ny fiangonan’i Israely izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

19 Tsy tokony hisy lalivay ao an-tranonareo mandritra ny hafitoana, fa na zovy na zovy hihinana mofo misy lalivay, dia hofongorana tsy ho eo amin’ny fiangonan’i Israely, na vahiny izany na tera-tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

19 Hafitoana no tsy hisiana masirasira ao an-tranonareo; fa na iza na iza homana izay misy masirasira dia hofongorana tsy ho amin’ny fiangonan’ny Isiraely, na vahiny na tompon-tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

19 Hafitoana no tsy hisiana masirasira ao an-tranonareo; fa na iza na iza homana izay misy masirasira dia hofongorana tsy ho amin'ny fiangonan'ny Isiraely, na vahiny na tompon-tany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

19 Hafitoana no tsy hisiana masirasira ao an-tranonareo; fa na iza na iza homana izay misy masirasira dia hofongorana tsy ho eo amin’ny fiangonan’ny Israely, na vahiny na tompon-tany.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 12:19
13 Rohy Ifampitohizana  

«Mandritra ny fito andro no hihinananareo ny mofo tsy misy leviora. Raha vao amin’ny andro voalohany dia efa esory tsy ho ao an-tranonareo ny leviora. Fa na iza na iza mihinana mofo misy leviora, manomboka amin’ny andro voalohany ka hatramin’ny andro fahatelo, dia hofongorana tsy ho anisan’ny vahoaka israelita izy.


Koa tsy azonareo hanina ny sakafo misy ny leviora rehetra. Na aiza na aiza no hitoeranareo dia mofo tsy misy leviora no hohaninareo.»


Ary hoy koa ny TOMPO tamin’i Mosesy sy i Aharôna: –Izao no fepetra momba ny fetin’ny Paska: «Tsy misy vahiny mahazo mihinana amin’ny sakafo.


«Fa raha misy kosa vahiny valovotaka ao aminareo ka te hankalaza ny Paska ho an’ny TOMPO, dia tsy maintsy hoforana ny lehilahy rehetra ao aminy; avy eo dia mahazo mandray anjara amin’ny fankalazana ny Paska tahaka ny Israelita izy. Tsy misy mihitsy olona tsy voafora mahazo mihinana ny sakafo.


Dia hoy i Mosesy tamin’ny vahoaka: –Tsarovy ity andro anio ity: Fa tamim-pahefana mahery no namoahan’ny TOMPO anareo hiala tany Ejipta izay toera-nanandevozana anareo. Koa rehefa mankalaza izany ianareo, dia aoka tsy hihinana mofo misy leviora.


Mandritra io fito andro io dia aoka tsy hihinana mofo misy leviora ianareo, aoka tsy ho hita eo amin’ny faritaninareo rehetra na ny mofo misy leviora na ny leviora.


Ny fety voalohany hankalazainareo dia ny fetin’ny mofo tsy misy leviora: mandritra ny fito andro voatondro amin’ny volana Abiba no hihinananareo ny mofo tsy misy leviora araka izay efa nandidiako anareo. Tamin’io volana io manko no nialanareo tany Ejipta; koa aza miseho eo amin’ny alitarako mitondra tanam-polo.


Fa raha misy maka tahaka manamboatra mitovy aminy, ka manosotra azy amin’ny tenan’ny olon-tsotra, dia hoesorina tsy ho anisan’ny firenena israelita izy.»


«Ankalazao ny fetin’ny mofo tsy misy leviora; mandritra ny fito andro voatondro amin’ny volana Abiba no hihinananareo ny mofo tsy misy leviora araka izay efa nandidiako anareo. Fa volana Abiba toy izany no nialanareo tany Ejipta.


«Ny volana voalohany, andro faha-14, rehefa hariva, dia fankalazana ny Paska hanajana Ahy TOMPO.


Fa raha misy kosa olona tsy voaloto sady tsy nandeha an-tany lavitra nefa tsy mankalaza ny Paska, dia hofongorana tsy ho isan’ny fiangonan’i Israely izy, satria tsy nitondra ny fanatitra ho Ahy TOMPO tamin’ny andro voatondro. Hizaka ny vokatry ny fahotany izany olona izany.


Aza mofo misy leviora no haninareo amin’ny sakafo Paska; fa mandritra ny fito andro, dia mofo tsy misy leviora no hohaninareo mba hahatsiahivanareo fa an-kamehana no nialanareo tany Ejipta; eny, mofo tsizarizary no hohaninareo mba hahatsiarovanareo ilay andro nialanareo tany Ejipta, mandritra ny andro rehetra iainanareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra