Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 11:2 - DIEM PROTESTANTA

2 Koa ambarao amin’ny Israelita fa ny tsirairay na lahy na vavy dia aoka samy hangataka firavaka sy volamena amin’ny Ejiptianina akaiky azy avy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Koa mitenena amin’ny olona ka ny lehilahy dia samy hangataka firavaka volafotsy sy firavaka volamena amin’ny namany avy ary ny vehivavy koa dia hangataka amin’ny namany avy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 Koa ambarao amin’ny Israelita fa ny tsirairay na lahy na vavy dia aoka samy hangataka firavaka sy volamena amin’ny Ejiptianina akaiky azy avy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 Koa ilazao ny vahoaka mba samy hangataka firavaka volafotsy sy firavaka volamena avy, ny lehilahy amin’ny lehilahy mifanolotra aminy; ny vehivavy amin’ny vehivavy mifanolotra aminy.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Koa mitenena amin’ny olona, ary aoka ny lehilahy samy hangataka firavaka volafotsy sy firavaka volamena amin’ny namany avy, ary ny vehivavy amin’ny namany avy koa.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Koa mitenena amin'ny olona, ary aoka ny lehilahy samy hangataka firavaka volafotsy sy firavaka volamena amin'ny namany avy, ary ny vehivavy amin'ny namany avy koa.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 Koa mitenena amin’ny olona ka ny lehilahy dia samy hangataka firavaka volafotsy sy firavaka volamena amin’ny namany avy ary ny vehivavy koa dia hangataka amin’ny namany avy.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 11:2
16 Rohy Ifampitohizana  

Avy eo dia namoaka firavaka volafotsy sy volamena ary fitafiana izy ka nomeny an’i Rebekà; nomeny zavatra sarobidy maro koa ny anadahiny sy ny reniny.


Andriamanitra mihitsy no nanaisotra ny fananan-drainareo mba homeny ahy.


Fa navoakany kosa ilay vahoakany nombàn’ny volafotsy sy volamena; ka tsy nisy tamin’ireo fokony izay hoe narisarisa na iray aza.


Salamo nataon’i Davida An’ny TOMPO izao tontolo izao sy izay eo aminy. Azy koa ny tany sy ny mponina ao aminy:


Homeko tombontsoa eo imason’ny Ejiptianina ity vahoaka ity ka tsy hitondra tanam-polo mody.


Ny vehivavy israelita tsirairay avy dia samy hangataka amin’ny vehivavy ejiptianina ao aminy na manodidina azy firavaka volafotsy sy volamena mbamin’ny fitafiana. Hampitondrainareo ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo ireny, ka hataonareo fongana ny Ejiptianina.


Dia nanontany azy aho hoe: «Iza àry no manana volamena?» Niaraka tamin’izay dia nesorin-dry zareo ny firavaka teny aminy ka natolony ahy. Narendriko tamin’ny afo kosa izany, ary io ombilahikely io no nivoaka avy tao.


Tonga ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra malala-tanana nitondra firavaka volamena isan-karazany, fisisika, kavina, peratra na vakana, ka nanolotra azy ho an’ny TOMPO araka ny fihetsika fanolorana izany.


Ny olona tsara fanahy mamela lova ho an’ny taranany; fa ny haren’ny mpanota kosa voatahiry ho an’ny olo-marina.


Ahy avokoa manko ny volamena sy volafotsy eran’izao tontolo izao; izany no teny hentitra avy amiko TOMPOn’izao rehetra izao.


Tsy azoko anaovana izay tiako ve ny fananako? Sa mialona ianao satria mazava fo aho?»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra