Eksodosy 1:17 - DIEM PROTESTANTA17 Natahotra an’Andriamanitra anefa ireo mpampivelona ireo ka tsy nanao araka izay nodidian’ny mpanjakan’i Ejipta, fa namela ireo zazalahy ho velona. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201117 Nefa natahotra an’Andriamanitra ireo mpampivelona dia tsy nanatanteraka izay nolazain’ny mpanjakan’i Ejipta taminy fa novelominy ihany ny zazalahy. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara17 Natahotra an’Andriamanitra anefa ireo mpampivelona ireo ka tsy nanao araka izay nodidian’ny mpanjakan’i Ejipta, fa namela ireo zazalahy ho velona. Jereo ny tokoBaiboly Katolika17 Natahotra an’Andriamanitra anefa ireo mpampivelona, ka tsy narahiny ny tenin’ny mpanjakan’i Ejipta, fa navelany ho velona ihany ny zazalahy. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy17 Nefa natahotra an’Andriamanitra ny mpampivelona ka tsy nanao araka izay nolazain’ny mpanjakan’i Egypta taminy, fa novelominy ihany ny zazalahy. Jereo ny tokoMalagasy Bible17 Nefa natahotra an'Andriamanitra ny mpampivelona ka tsy nanao araka izay nolazain'ny mpanjakan'i Egypta taminy, fa novelominy ihany ny zazalahy. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache17 Nefa natahotra an’Andriamanitra ireo mpampivelona dia tsy nanatanteraka izay nolazain’ny mpanjakan’i Ejipta taminy fa novelominy ihany ny zazalahy. Jereo ny toko |
dia nanatona ny mpanjaka izy ary niteny teo anatrehany momba ilay didy ka nanao hoe: –Ry mpanjaka ô, moa tsy nisy didy nosoniavinao va fa ato anatin’ny telopolo andro, na zovy na zovy no hanao fivavahana na amin’Andriamanitra na amin’olona, afa-tsy aminao ihany, dia hatsipy ao an-davaky ny liona? Dia namaly kosa ny mpanjaka nanao hoe: –Marina tokoa izany, dia araka ny lalànan’ny Medianina sy ny Persianina izay tsy azo foanana.
Fa tandremanareo fatratra ny ohatra ratsy nasehon’i Hômrỳ mpanjaka sy ny fihetsiky ry i Ahaba mianakavy, ka narahinareo ny fomba amam-panaony. Noho izany, dia hatolotro horavana ity renivohitrareo ity ary ho fihomehezana ianareo mponina ao aminy; ka ianareo no hitondra ny latsa mianjady amin’ny vahoakako.»
Avy eo dia hoy ny mpanjaka tamin’ny miaramila mpanotrona azy teo akaikiny: –Ndeha vonoy ho faty ny mpisoron’ny TOMPO, fa niray tsikombakomba tamin’i Davida izy ireo, satria nahafantatra ny fandosiran’i Davida izy, kanefa tsy nampandre ahy. Fa ny mpanompon’ny mpanjaka kosa tsy sahy nikasi-tanàna ny mpisoron’ny TOMPO.