Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Daniela 11:34 - DIEM PROTESTANTA

34 Ary mandritra ireny fanenjehana ireny dia fanampiana kely monja no ho azon’ireto ampahorina, satria maro ny olona hiandany aminy noho ny fihatsarambelatsihy ihany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

34 Rehefa lavo izy ireo dia hahazo famonjena kely; ary maro no hikambana aminy amin’ny fihatsarambelatsihy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

34 Ary mandritra ireny fanenjehana ireny dia fanampiana kely monja no ho azon’ireto ampahorina, satria maro ny olona hiandany aminy noho ny fihatsarambelatsihy ihany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

34 Ary rehefa lavo izy, dia hahazo famonjena kely; ary maro no hikambana aminy amin’ny fihatsarambelatsihy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

34 Ary rehefa lavo izy, dia hahazo famonjena kely; ary maro no hikambana aminy amin'ny fihatsaram-belatsihy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

34 Rehefa lavo izy ireo dia hahazo famonjena kely; ary maro no hikambana aminy amin’ny fihatsarambelatsihy.

Jereo ny toko dika mitovy




Daniela 11:34
22 Rohy Ifampitohizana  

«Ary hisy olona fanebaka handimby io mpanjaka io nefa tsy hanam-pahamendrehana hanjaka akory; fa hiditra an-tsokosoko izy ka handrombaka an-kafetsena ny fahefà-manjaka.


Ary izy mpanjaka mihitsy no handroboka ny olona hitsipaka ny fanekempihavanana amin’ny fandokadokafana. Nefa ny olona izay mahalala an’Andriamaniny dia hiorina mafy amin’ny fanaony;


–Mitandrema amin’ny mpaminany sandoka: malemy paika toy ny ondry izy manatona anareo; kanefa ao anatiny, toy ny amboadia mandramatra.


Satria tsy i Kristy Tompontsika no tompoin’ny toy ireny, fa izay danin’ny kibony, ary teny malefaka sy tsara lahatra no amitahany an’ireo tso-po.


na teo aza ireo rahalahy sandoka tafasisika an-tsokosoko teo anivonay. Ireo rahalahy sandoka ireo dia niditra an-tsokosoko mba hitsikera ny fahafahana anananay tafaray amin’i Kristy Jesoa, hahazoany manao izay hanandevozana anay.


Eny, ho avy ny andro tsy hahazakan’ny olona intsony ny fampianarana tsy misy tomika; fa mpampianatra araka ny maha diavolana ny fony no havoriny ho azy sy hahalian-tsofina azy.


Tsy maintsy tampenam-bava ireo fa mampisavorovoro fianakaviana maro, satria mampianatra zavatra tsy tokony hampianarina mba hahazoan-karena amin’ny fomba maloto.


Ry hava-malala, aza mino izay rehetra milaza hoe manana ny Fanahy Masina, fa zahao toetra ireo hahafantarana raha toa ny Fanahy Masina avy amin’Andriamanitra no manentana azy; satria maro ny mpaminany sandoka eran’izao tontolo izao.


Ireny mpaminany sandoka ireny dia anisan’izao tontolo izao, ka izany no itenenany zavatra avy amin’izao tontolo izao sy ihainoan’izao tontolo izao azy.


Maro mantsy ny mpamitaka efa niely eran’izao tontolo izao: izy ireny dia tsy manaiky fa tonga olombelona tokoa i Jesoa Kristy. Izany no maha mpamitaka sy maha antikristy!


Fa misy olona sasany tafiditra an-tsokosoko eo aminareo: dia olona ratsy fanahy izay mamadika ny fahasoavan’Andriamanitsika ho fampianarana fitondrantena maloto, ka mandà an’i Jesoa Kristy, ilay Andrian-tokana sady Tompontsika. Hatry ny ela no efa voalazan’ny Soratra Masina mialoha ny fanamelohana hihatra amin’ireny olona ireny.


Rehefa hitan’ilay dràgona fa voazera tamin’ny tany izy, dia ilay vehivavy niteraka ny zazalahy no nenjehiny.


Saingy izao no anomezako tsiny anao: leferinao ilay vehivavy Jezebela izay milaza ny tenany ho mpaminany, ka dia mampianatra sy manoloky ny mpanompoko hijangajanga sy hihinan-kena natao fanatitra tamin’ny sampy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra