Daniela 11:35 - DIEM PROTESTANTA35 Ary hisy amin’ireo hendry ireo no ho faty mba hanadiovana sy hanatsarana ary hamotsiana ny vahoakan’Andriamanitra mandra-piavin’ny fotoana farany, satria ho tonga izany amin’ny fotoana voatondro. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201135 Hisy ho lavo koa ny manantsaina, mba hizahan-toetra sy hanadiovana ary hamotsiana azy ambara-pahatongan’ny andro farany, nefa ho amin’ny fotoana voafetra ihany izany. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara35 Ary hisy amin’ireo hendry ireo no ho faty mba hanadiovana sy hanatsarana ary hamotsiana ny vahoakan’Andriamanitra mandra-piavin’ny fotoana farany, satria ho tonga izany amin’ny fotoana voatondro. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy35 Ary hisy ho lavo koa ny manan-tsaina, mba hizahan-toetra sy hanadiovana ary hamotsiana azy ambara-pahatongan’ny andro farany, fa mbola ho amin’ny fotoana ihany izany. Jereo ny tokoMalagasy Bible35 Ary hisy ho lavo koa ny manan-tsaina, mba hizahan-toetra sy hanadiovana ary hamotsiana azy ambara-pahatongan'ny andro farany, fa mbola ho amin'ny fotoana ihany izany. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache35 Hisy ho lavo koa ny manantsaina, mba hizahan-toetra sy hanadiovana ary hamotsiana azy ambara-pahatongan’ny andro farany, nefa ho amin’ny fotoana voafetra ihany izany. Jereo ny toko |
Fa ankehitriny dia toy izao no hamelàna ny heloka vitan’ireo taranak’i Jakôba, ary izao no ho vokatry ny famelana ny fahotany: hopotehiny toy ny vato sokay voatorotoro ny vato rehetra eo amin’ny alitara, ary tsy havelany hitsangana intsony na ny tsatokazo fanajana an’i Aserà na ny fandoroana vovo-javamanitra.
«Ary amin’ny fotoana farany dia hanoto azy indray ny mpanjaka ao atsimo, nefa ny mpanjaka ao avaratra dia hipaoka azy toy tafio-drivotra miaraka amin-kalesy sy mpitaingi-tsoavaly ary sambo marobe; ary hiditra amin’ny tany isan-karazany izy ka hihoatra sisintany ombàn-tafika sy hipariaka toy ny ranovaky.