Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Daniela 11:29 - DIEM PROTESTANTA

29 Amin’ny fotoana voatendry, dia hiverina any atsimo indray izy, nefa tsy hizotra tahaka ny tamin’ny voalohany ny fanafihana amin’ity farany ity.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

29 Amin’ny fotoana voatendry dia ho lasa mianatsimo indray izy; nefa ny farany dia tsy ho toy ny voalohany;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

29 Amin’ny fotoana voatendry, dia hiverina any atsimo indray izy, nefa tsy hizotra tahaka ny tamin’ny voalohany ny fanafihana amin’ity farany ity.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

29 Amin’ny fotoana dia ho lasa mianatsimo indray izy; nefa ny farany tsy ho toy ny voalohany;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

29 Amin'ny fotoana dia ho lasa mianatsimo indray izy; nefa ny farany tsy ho toy ny voalohany;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

29 Amin’ny fotoana voatendry dia ho lasa mianatsimo indray izy; nefa ny farany dia tsy ho toy ny voalohany;

Jereo ny toko dika mitovy




Daniela 11:29
9 Rohy Ifampitohizana  

Midradradradrà, ry tanàna mimanda, ka manaova antsoantsom-pitarainana. Ketraka ny Filistinina rehetra, fa misy setroka miakatra avy any avaratra; tsy misy mitsoaka an-daharana ny fahavalo.


Tamin’ny taona fahatelo nanjakan’i Kirôsa mpanjakan’i Persia, dia nisy hafatra nambara tamin’i Daniela izay nantsoina koa hoe Beltesatsara. Izany hafatra izany dia azo antoka sady nilaza fa hisy fisedrana goavana. Nodinihin’i Daniela izany hafatra izany; ary tamin’ny alalan’ny fahitana no nahafantarany ny heviny.


Hampiasa ireo fifanarahana natao taminy izy mba hamitapitahana; ka hitombo hatrany ny heriny, na dia olom-bitsy aza no ho mpomba azy.


«Ary hasesiky ny heriny sy ny hambompony izy ka hombàn-tafika lehibe no hiroso hamely ny mpanjaka ao atsimo; ary io mpanjaka ao atsimo io dia hioman-kiady miaraka amina tafika goavana sy matanjaka tokoa, kanjo tsy hahatohitra satria hanaovana teti-dratsy hahavoa azy.


Ary hiverina any amin’ny taniny mitondra harembe ilay mpanjaka ao avaratra; ka hanatanteraka izay nokasainy hanoherana ny fanekempihavanana masina izy, vao hody any amin’ny taniny.


Fa ho tonga hamely azy ny sambon’i Kitima, ary ho kivy izy ka hiverin-dalàna. Hisafoaka indray izy ka hanao izay hanoherana ny fanekempihavanana masina sady hifanaraka koa amin’ireo mivadika amin’izany fanekempihavanana izany.


Avy eo dia hoy i Gabriela tamiko: «Indro hampahafantariko anao izay hiseho amin’ny fotoana voatendry hiafaran’ny fahatezeran’Andriamanitra.


Noarîny avy amin’olona anankiray ny firenena rehetra mba honina manerana ny tany tontolo; ary nofariparitany koa ny vanim-potoana hiainany sy ny zaratany honenany.


fa fehezin’izay mpikarakara azy sy ny mpitandrim-pananany izy mandra-pahatongan’ny fetr’andro voatendrin’ny rainy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra