Izaho TOMPO Andriamanitr’i Israely dia milaza ny amin’ireo trano eto an-tanàna sy ny lapan’ny mpanjakan’i Joda fa rava avokoa ireo. Ny amin’ny tovon-tany fanafihana sy ny ady kosa dia izao: Tsy ilaina ny hanoherana ny Babilônianina fa hahafeno faty eto an-tanàna izany noho ny olona naripaky ny fahatezerako amam-pahavinirako. Fa ny haratsiana rehetra nataon’ny mponin’i Jerosalema no nahatonga Ahy tsy niraharaha ny tanànany.