Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Daniela 11:16 - DIEM PROTESTANTA

16 Izay avy hamely azy dia hanao araka izay sitrapony fa tsy hisy hahatohitra akory; ary hamahatra ao amin’ilay tany tsara indrindra izy sady hanao fandripahana eo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 Fa izay avy hamely azy dia hanao araka izay sitrapony ka tsy hisy hahajanona eo anatrehany; ary hijanona ao amin’ny tany mahafinaritra izy ary hisy fandringanana eny an-tanany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 Izay avy hamely azy dia hanao araka izay sitrapony fa tsy hisy hahatohitra akory; ary hamahatra ao amin’ilay tany tsara indrindra izy sady hanao fandripahana eo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 Fa izay avy hamely azy dia hanao araka izay sitrapony, ka tsy hisy hahajanona eo anatrehany; ary izy hijanona ao amin’ny tany mahafinaritra, ary hisy fandringanana eny an-tànany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Fa izay avy hamely azy dia hanao araka Izay sitrapony, ka tsy hisy hahajanona eo anatrehany; ary izy hijanona ao amin'ny tany mahafinaritra, ary hisy fandringanana eny an-tànany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

16 Fa izay avy hamely azy dia hanao araka izay sitrapony ka tsy hisy hahajanona eo anatrehany; ary hijanona ao amin’ny tany mahafinaritra izy ary hisy fandringanana eny an-tanany.

Jereo ny toko dika mitovy




Daniela 11:16
11 Rohy Ifampitohizana  

hibosesika any Joda sady hanafotra azy, ary hiakatra hatreny am-bozony. Eny, hihanaka lavitra amin’ny sisiny roa i Eofrata ka hanenika ny velaran’ny taninao, ry Himanoela.


Hoy Aho anakampo hoe: Ahoana raha ataoko lohalaharana amin’ireo zanako lahy ianao ka homeko tany mahafinaritra izay fananana tsara indrindra eo amin’ny samy firenena? Amin’izay dia hiantso Ahy ho rainao ianao ka tsy hiodina amiko intsony.


Nefa hisy mpanjaka maherifo hitsangana ao Gresy ka hanapaka amin-kery lehibe ary hanao araka izay sitrapony.


«Ary ny mpanjaka hanao araka izay sitrapony; dia hanandra-tena sy hihevi-tena ho ambonin’ny andriamanitra rehetra ka hiteny zava-mampivarahontsana hanohitra an’ilay Andriamanitry ny andriamanitra. Ary hanam-pahombiazana izy ambara-pihatran’ny fahatezeran’Andriamanitra, satria ho tanteraka izay efa voatendry.


Ary hiditra ao amin’ilay tany tsara indrindra izy ka betsaka ny olona haripany; nefa ho afaka amin’ny tanany kosa ireo Môabita sy Edômita ary ny lohandohan’ny Hamônita.


Ary hanorina ny tranolain’andriamanjaka eo anelanelan’ny ranomasina sy ny tendrombohitra masin’ilay tany tsara indrindra izy; nefa ho tonga amin’ny hiafarany ihany izy, ka tsy hisy hamonjy azy.»


Ary noho io fahalehibiazana izay nomen’Andriamanitra azy io dia natahotra sy nangovitra avokoa teo anatrehany ny foko sy firenena ary ny olona samy hafa fiteny rehetra; fa nahafaty izay tiany ho faty izy ary namelona izay tiany ho velona, nanandratra izay tiany hasandratra izy ary nampietry izay tiany haetry.


Hitako ilay ondrilahy fa nanoto niankandrefana sy nianavaratra ary nianatsimo, ka tsy nisy biby nahatohitra azy ary tsy nisy naharombaka izay tao an-tanany; fa nanao araka izay sitrapony izy sady nitombo hery hatrany.


Ary hitako izy tafapaka teo akaikin’ilay ondrilahy, dia nisafoaka taminy ary namely azy ka nahamontsana ny tandrony roa; tsy nanan-kery hoenti-manohitra azy intsony ilay ondrilahy ka dia natrosony tamin’ny tany sady nohosihoseny; ary tsy nisy naharombaka ilay ondrilahy teo an-tanany.


«Ary ny anankiray tamin’izy efatra ireo dia nipoiran’ny tandroka kely iray, izay nitatra nianatsimo sy niantsinanana ary hatrany any amin’ilay tany tsara indrindra.


Ry Josoa, tsy misy olona hahatohitra anao mandritra ny androm-piainanao rehetra, fa homba anao Aho tahaka izay efa nombako an’i Mosesy. Tsy hanary anao Aho na handao anao na oviana na oviana.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra