Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 9:21 - DIEM PROTESTANTA

21 Fa ny mpanjaka manko dia nanana sambo vaventy izay notarihin’ireo tantsambon’i Hirama; ary indray mandeha isan-telo volana ireo sambo vaventy ireo no tonga mitondra volamena sy volafotsy amana ivoara ary koa rajako sy vorombola.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

21 Fa ny mpanjaka dia nanana sambo mpankany Tarsisy niaraka tamin’ny mpanompon’i Hirama; ary indray mandeha isan-telo taona no tonga ny sambon’i Tarsisy nitondra volamena, volafotsy, ivoara, rajako ary vorombola.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

21 Fa ny mpanjaka manko dia nanana sambo vaventy izay notarihin’ireo tantsambon’i Hirama; ary indray mandeha isan-telo volana ireo sambo vaventy ireo no tonga mitondra volamena sy volafotsy amana ivoara ary koa rajako sy vorombola.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

21 Satria, nanan-tsambo mpankany Tarsisa niaraka tamin’ny mpanompon’i Hirama ny mpanjaka, ka tonga isan-telo taona ny sambon’i Tarsisa nitondra volamena amam-bolafotsy sy ivoara, ary rajako amam-borombola.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

21 Fa ny mpanjaka nanana sambo mpankany Tarsisy niaraka tamin’ny mpanompon’i Hirama; ary indray mandeha isan-telo taona no nihavian’ny sambon’i Tarsisy nitondra volamena sy volafotsy sy ivory sy rajako ary vorombola.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

21 Fa ny mpanjaka nanana sambo mpankany Tarsisy niaraka tamin'ny mpanompon'i Hirama; ary indray mandeha isan-telo taona no nihavian'ny sambon'i Tarsisy nitondra volamena sy volafotsy sy ivory sy rajako ary vorombola.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 9:21
11 Rohy Ifampitohizana  

Ny mpanjaka manko dia nanana sambo vaventy izay nitety ranomasina niaraka tamin’ny sambon’i Hirama; ary indray mandeha isan-telo taona ireo sambo vaventy ireo no tonga mitondra volamena sy volafotsy amana ivoara ary koa rajako sy vorombola.


Tsy nisy mpanjaka tany Edôma tamin’izany fotoana izany, fa governora notendren’ny mpanjaka ihany.


Dia nandefa sambo sy matilò mahay ranomasina i Hirama, tamin’ny alalan’ireo tandapany; ary nandeha niaraka tamin’ny tantsambon’i Salômôna ho any Ôfira ireo, ka nahazo volamena 13 taonina mahery ary nitondra izany ho an’i Salômôna mpanjaka.


Volamena avokoa ny tsatokaty fisotroan’i Salômôna mpanjaka; ary volamena tsara avokoa ny kojakoja rehetra tao amin’ilay trano antsoina hoe «Alan’i Libano.» Tsy nisy vita volafotsy ireo, satria noheverina ho tsy dia sarobidy loatra izany tamin’ny andron’i Salômôna.


Faly mikopakopaka elatra ny ôtrisy; kanefa tsy mampalemy fanahy azy toy ny vano na ny elany na ny volo malefaka ananany.


Ny mpanjakan’i Tarsisy sy ny an’ireo nosy dia handefa fanomezana ho azy; ny mpanjakan’i Sabà sy ny an’i Sebà kosa ho avy handoa hetra aminy.


Ireo sampy ireo dia ravahana takela-bolafotsy avy any Tarsisy na volamena avy any Ôfira, izay namboarin’ny mpanao asan-tanana sy ny mpanefy firavaka; ary lamba jaky sy volomparasy no nampitafiana azy. Asan’ny mpahay taozavatra avokoa ireny sampy rehetra ireny.


«Ny olon’i Tarsîsy no nifanao varotra taminao momba ny harena zavon-tany isan-karazany. Volafotsy sy vy sy vifotsy ary firaka no natolony ho takalon’ny entanao.


Nifandray ara-barotra taminao koa ny olona avy ao Dedàna. Nitatra tamin’ireo nosy maro ny tsenam-barotrao, ka tandroka ivoara sy hazomainty no natakalony ny entanao.


Nefa niainga handositra ho any Tarsîsy hanalavitra ny TOMPO i Jônà. Nankany Jafao izy ka nahita sambo vonona ho any Tarsîsy. Naloany ny saran-dalana, dia niondrana niaraka tamin’ny tantsambo rehetra izy ary nihevitra ny hanalavitra ny TOMPO.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra