Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




2Tantara 9:22 - DIEM PROTESTANTA

22 I Salômôna mpanjaka dia nihoatra noho ny mpanjaka hafa rehetra tambonin’ny tany tamin’ny harena sy ny fahendrena.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

22 Ary i Solomona mpanjaka dia nanankarena sady hendry indrindra noho ny mpanjaka rehetra ambonin’ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

22 I Salômôna mpanjaka dia nihoatra noho ny mpanjaka hafa rehetra tambonin’ny tany tamin’ny harena sy ny fahendrena.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

22 Ambony noho ny mpanjakan’ny tany rehetra i Salômôna amin’ny harena amam-pahendrena.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

22 Ary Solomona mpanjaka dia nanan-karena sady hendry indrindra noho ny mpanjaka rehetra ambonin’ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

22 Ary Solomona mpanjaka dia nanan-karena sady hendry indrindra noho ny mpanjaka rehetra ambonin'ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 9:22
10 Rohy Ifampitohizana  

Hendry noho ny olon-drehetra izy fa nihoarany avokoa na i Etàna ilay Ezrahita, na i Hemàna, na i Kalkôla, na i Dardà zanakalahin’i Mahôla; koa niely tamin’ny firenena rehetra manodidina ny lazany.


Nomen’Andriamanitra fahendrena fatratra sy saina mahiratra tokoa i Salomôna; ary ny zavatra noeritreretiny dia maro toy ny fasika amoron-dranomasina.


koa dia omena anao ny fahendrena sy ny fahaiza-manavaka. Ary homeko vola aman-karena koa ianao, mihoatra noho izay nananan’ireo mpanjaka hafa rehetra tany alohanao, ary tsy hisy hanana toy izany ny any aorianao.


Nitady hahita azy avokoa ireo mba hihaino ny fahendrena izay nataon’Andriamanitra tao am-pony.


Izy hiantso Ahy hoe: ‹Raiko Ianao, Andriamanitro, Vatolampy mamonjy ahy›,


Amin’ny andro fitsarana, dia hitsangana manoloana ny olona ankehitriny ilay mpanjakavavy avy any atsimo, ka hanameloka azy; fa niala avy any am-paran’ny tany izy mba hihaino ny fahendren’i Salômôna mpanjaka! Indro anefa misy mihoatra noho i Salômôna eto!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra