Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 9:2 - DIEM PROTESTANTA

2 Voavalin’i Salômôna avokoa ny fanontaniana rehetra nataony, ka tsy nisy zavatra niafina tamin’ny mpanjaka ireny fa nanomezany valinteny avokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Ary voavalin’i Solomona izy tamin’izay rehetra nanontaniany azy; tsy nisy zavatra niafina tamin’i Solomona fa navaliny azy avokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 Voavalin’i Salômôna avokoa ny fanontaniana rehetra nataony, ka tsy nisy zavatra niafina tamin’ny mpanjaka ireny fa nanomezany valinteny avokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 Voavalin’i Salômôna avokoa ny fanontaniany, fa tsy nisy niafina tamin’ny mpanjaka, ka tsy hainy novaliana na dia iray aza.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Ary voavalin’i Solomona izy tamin’izay rehetra nanontaniany azy; tsy nisy zavatra niafina tamin’i Solomona, fa nambarany azy avokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Ary voavalin'i Solomona izy tamin'izay rehetra nanontaniany azy; tsy nisy zavatra niafina tamin'i Solomona, fa nambarany azy avokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 Ary voavalin’i Solomona izy tamin’izay rehetra nanontaniany azy; tsy nisy zavatra niafina tamin’i Solomona fa navaliny azy avokoa.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 9:2
12 Rohy Ifampitohizana  

Koa indro fa araka ny teninao no ataoko: omeko saina hendry sy mahay manavaka ianao, ka tsy hisy tahaka anao na ny olona tany alohanao na ny olona any aorianao.


Nahare ny lazan’i Salômôna ny mpanjakavavin’i Sebà, ka avy hitsapa azy tamin’ny fanontaniana sarotra. Dia tonga tany Jerosalema izy sy ny mpanaraka azy marobe narahin’ny rameva, nivesatra zava-manitra sy volamena ary vatosoa. Rehefa mby tao amin’i Salômôna ity mpanjakavavy, dia nilaza taminy izay rehetra tao am-pony.


Ary rehefa samy hitan’ny mpanjakavavin’i Sebà ny fahendren’i Salômôna sy ny trano izay naoriny,


Izay miaraka amin’ny hendry dia hihahendry; fa izay misakaiza amin’ny adala kosa hiharatsy.


Ny teny aloaky ny vavan’ny olona dia mety ho lalina toy ny ranomasina sy hamelombelona toy ny ranondriaka, ary mety ho loharanom-pahendrena.


ka novaliany hoe: –Ianareo no efa nomena ny tsiambaratelo momba ny Fanjakàn’Andriamanitra; fa ho an’ireo any ivelany kosa dia manjary ankamantatra saro-pantarina ny zavatra rehetra,


Nampiasa fanoharana Izy raha niteny tamin’ny olona; fa rehefa nitokana kosa Izy sy ny mpianany, izay vao nohazavainy tamin’ireo mpianany ny zava-drehetra.


tsy hataoko hoe mpanompo intsony ianareo, satria ny mpanompo tsy mahalala izay ataon’ny tompony; fa efa ataoko hoe sakaiza ianareo, satria izay rehetra reko tamin’ny Raiko no nampahafantariko anareo.


fa miafina ao amin’i Kristy ny rakitra rehetra momba ny fahendrena sy ny fahalalana avy amin’Andriamanitra.


Fa velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra, sady maranitra noho ny sabatra roa lela ka maninteraka hatrany amin’ny fihaonan’ny aina sy ny fanahy ary hatrany amin’ny fihaonan’ny famavàny sy ny tsoka; hainy tsaraina ny eritreritra amam-pisainan’ny fon’ny olona.


Kanefa raha misy aminareo tsy manam-pahendrena, dia aoka izy hangataka amin’Andriamanitra fa homeny; satria manome malalaka ho an’ny olona rehetra Andriamanitra sady tsy mba mandatsa.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra