Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 9:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Nahare ny lazan’i Salômôna ny mpanjakavavin’i Sebà, ka avy hitsapa azy tamin’ny fanontaniana sarotra. Dia tonga tany Jerosalema izy sy ny mpanaraka azy marobe narahin’ny rameva, nivesatra zava-manitra sy volamena ary vatosoa. Rehefa mby tao amin’i Salômôna ity mpanjakavavy, dia nilaza taminy izay rehetra tao am-pony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Rehefa nahare ny lazan’i Solomona ny mpanjakavavin’i Sheba dia tonga tany Jerosalema hizaha toetra azy tamin’ny fanontaniana sarotra, ary marobe ny mpanotrona azy, sady be koa ny rameva izay nitondra zavamanitra sy volamena sesehena ary vatosoa. Rehefa tonga tao amin’i Solomona izy dia niresaka taminy izay rehetra tao am-pony.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Nahare ny lazan’i Salômôna ny mpanjakavavin’i Sebà, ka avy hitsapa azy tamin’ny fanontaniana sarotra. Dia tonga tany Jerosalema izy sy ny mpanaraka azy marobe narahin’ny rameva, nivesatra zava-manitra sy volamena ary vatosoa. Rehefa mby tao amin’i Salômôna ity mpanjakavavy, dia nilaza taminy izay rehetra tao am-pony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Rehefa nandre ny lazan’i Salômôna ny mpanjakavavin’i Sabà, dia tonga tao Jerosalema izy, hizaha toetra an’i Salômôna amin’ny ankamantatra, narahin’ny kalesy maro be sy rameva nitondra zava-manitra, volamena be dia be, ary vato soa koa. Nandroso ho any amin’i Salômôna izy, dia nolazainy tamin’ny vahoaka izay rehetra tao am-pony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 ARY ny mpanjakavavin’i Sheba, rehefa nahare ny lazan’i Solomona, dia tonga tany Jerosalema hizaha toetra azy tamin’ny fanontaniana sarotra, ary maro be ny mpanaraka azy, sady be koa ny rameva izay nitondra zava-manitra sy volamena sesehena ary vato soa; ary rehefa tonga tao amin’i Solomona izy, dia niresaka taminy ny amin’izay rehetra tao am-pony.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Ary ny mpanjakavavin'i Sheba, rehefa ny nahare ny lazan'i Solomona, dia tonga tany Jerosalema hizaha toetra azy tamin'ny fanontaniana sarotra, ary maro be ny mpanaraka azy, sady be koa ny rameva izay nitondra zava-manitra sy volamena sesehena ary vato soa; ary rehefa tonga tao amin'i Solomona izy, dia niresaka taminy ny amin'izay rehetra tao am-pony.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Rehefa nahare ny lazan’i Solomona ny mpanjakavavin’i Sheba dia tonga tany Jerosalema hizaha toetra azy tamin’ny fanontaniana sarotra, ary marobe ny mpanotrona azy, sady be koa ny rameva izay nitondra zavamanitra sy volamena sesehena ary vatosoa. Rehefa tonga tao amin’i Solomona izy dia niresaka taminy izay rehetra tao am-pony.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 9:1
23 Rohy Ifampitohizana  

sy i Hobàla, i Abimaela sy i Seba,


Ary ny zanakalahin’i Kosy dia i Sebà sy i Havilà, i Sabtà sy i Rahemà ary i Sabtekà. Ny zanakalahin’i Rahemà dia i Saba sy i Dedàna.


I Jôksàna no rain’i Sebà sy i Dedàna; ny Asorita sy ny Letosita ary ny Leomita no taranak’i Dedàna.


Ary i Salômôna, zanakalahin’i Davida, nanamafy orina ny fahefana maha mpanjaka azy; ary niaraka tamin’i Salômôna ny TOMPO Andriamaniny ka nanandratra azy ho amin’ny ambony indrindra.


koa dia omena anao ny fahendrena sy ny fahaiza-manavaka. Ary homeko vola aman-karena koa ianao, mihoatra noho izay nananan’ireo mpanjaka hafa rehetra tany alohanao, ary tsy hisy hanana toy izany ny any aorianao.


Voavalin’i Salômôna avokoa ny fanontaniana rehetra nataony, ka tsy nisy zavatra niafina tamin’ny mpanjaka ireny fa nanomezany valinteny avokoa.


Dia nomen’ilay mpanjakavavy volamena telo taonina sy sasany ary koa zava-manitra sesehena ary vatosoa ny mpanjaka; tsy nisy na oviana na oviana zava-manitra tahaka izay nomen’ny mpanjakavavin’i Sebà o an’i Salômôna.


Miantso mafy ny TOMPO aho, mitalaho mafy aminy.


fa hilaza fahendrena ny vavako, hametsovetso fahalalana ny foko.


Ny mpanjakan’i Tarsisy sy ny an’ireo nosy dia handefa fanomezana ho azy; ny mpanjakan’i Sabà sy ny an’i Sebà kosa ho avy handoa hetra aminy.


Ho ela velona anie ny mpanjaka! Aoka ho volamena avy any Sabà no hatao fanomezana ho azy! Enga anie izy harahim-bavaka lalandava sady horarîna soa isan’andro isan’andro!


Hisoka-bava hanao fanoharana aho ka hanatsoaka lesona avy amin’ny fahiny.


hahatakarana ohabolana sy fanoharana ary ny tenin’olon-kendry sy ny ankamantany.


Rameva maro no handrakotra ny taninao, dia andian-drameva avy any Midiana sy Hefà; tonga koa ny olona rehetra avy any Sabà. Volamena sy vovo-javamanitra no hoentiny ary ny fiderana ny TOMPO no hafatra soa hambarany.


Ry tarana-menarana, hataonareo ratsy fanahy ahoana no fiteny zavatra tsara? Izay mameno ny fon’ny olona manko no aloaky ny vavany.


Amin’ny andro fitsarana, dia hitsangana manoloana ny olona ankehitriny ilay mpanjakavavy avy any atsimo, ka hanameloka azy; fa niala avy any am-paran’ny tany izy mba hihaino ny fahendren’i Salômôna mpanjaka! Indro anefa misy mihoatra noho i Salômôna eto!


Dia novalian’i Jesoa hoe: –Ianareo no natao hahalala ny tsiambaratelo momba ny Fanjakàn’ny lanitra, fa ireo kosa tsy natao hahalala.


hany ka tanteraka ilay voalazan’ny Tompo tamin’ny alalan’ny mpaminany hoe: «Fanoharana no hitenenako; zavatra nafenina hatramin’ny nahariana izao tontolo izao no hambarako.»


Niditra tao an-trano ireo olon-kendry ka nahita ny zaza teny amin’i Maria reniny ary niankohoka teo anatrehan’ilay zaza ho fanajana azy. Rehefa izany, nanokatra ny vata fasiany rakitra ireto mpamangy ary nanolotra fanatitra ho azy: dia volamena sy ditin-kazo manitra ary miora.


Amin’ny andro fitsarana, dia hitsangana manoloana ny olona ankehitriny ilay mpanjakavavy avy any atsimo ka hanameloka azy; fa niala avy any am-paran’ny tany izy hihaino ny fahendren’i Salômôna mpanjaka! Indro anefa misy mihoatra noho i Salômôna eto!


Dia novalian’i Hanà hoe: –Tsia, tompoko, tsy mamo aho. Malahelo fotsiny aho fa tsy nisotro divay na zava-pisotro mahamamo hafa akory. Mamboraka ny ato am-poko eto anatrehan’ny TOMPO aho.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra