Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 9:13 - DIEM PROTESTANTA

13 Ny lanjam-bolamena tonga tao amin’i Salômôna, tanatin’ny taona iray monja, dia nahatratra roapolo taonina,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Ny lanjan’ny volamena izay tonga tao amin’i Solomona isan-taona dia talenta volamena enina amby enimpolo sy eninjato,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Ny lanjam-bolamena tonga tao amin’i Salômôna, tanatin’ny taona iray monja, dia nahatratra roapolo taonina,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 Ny lanjan’ny volamena tonga tao amin’i Salômôna amin’ny indray taona, dia talenta volamena 666,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 ARY ny lanjan’ny volamena izay tonga tao amin’i Solomona isan-taona dia talenta volamena enina amby enim-polo amby enin-jato,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Ary ny lanjan'ny volamena izay tonga tao amin'i Solomona isan-taona dia talenta volamena enina amby enim-polo amby enin-jato,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

13 Ny lanjan’ny volamena izay tonga tao amin’i Solomona isan-taona dia talenta* volamena enina amby enimpolo sy eninjato,

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 9:13
6 Rohy Ifampitohizana  

Dia nandefa sambo sy matilò mahay ranomasina i Hirama, tamin’ny alalan’ireo tandapany; ary nandeha niaraka tamin’ny tantsambon’i Salômôna ho any Ôfira ireo, ka nahazo volamena 13 taonina mahery ary nitondra izany ho an’i Salômôna mpanjaka.


Tetsy andanin’izany kosa dia nomen’i Salômôna mpanjaka ho an’ny mpanjakavavin’i Sebà avokoa izay rehetra nirîny ka nangatahiny; ary nihoatra lavitra noho izay nentiny ho an’ny mpanjaka izany. Avy eo ilay mpanjakavavy sy ireo mpanompony dia niverina nody tany amin’ny taniny.


Ry Andriamanitra ô, omeo baiko ny herinao ka hamafiso hatrany izay efa vitanao ho anay,


Ny mpanjakan’i Tarsisy sy ny an’ireo nosy dia handefa fanomezana ho azy; ny mpanjakan’i Sabà sy ny an’i Sebà kosa ho avy handoa hetra aminy.


Ho ela velona anie ny mpanjaka! Aoka ho volamena avy any Sabà no hatao fanomezana ho azy! Enga anie izy harahim-bavaka lalandava sady horarîna soa isan’andro isan’andro!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra