Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 8:13 - DIEM PROTESTANTA

13 Araka ny didin’i Mosesy dia nanatitra izay fanao isan’andro i Salômôna tamin’ny sabata sy ny voaloham-bolana ary ny fety lehibe telo isan-taona, izany hoe ny fety fihinanana mofo tsy misy leviora, ny fetin’ny Pentekôsta ary ny fetin’ny Tranotomboka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 eny, nanolotra izay fanao isanandro izy araka ny didin’i Mosesy, dia tamin’ny Sabata sy ny voaloham-bolana ary ny fotoam-pivavahana intelo isan-taona, dia tamin’ny andro firavoravoana fihinanana mofo tsy misy masirasira sy ny andro firavoravoana manaraka ireo Herinandro ary ny andro firavoravoana fitoerana amin’ny trano rantsan-kazo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Araka ny didin’i Mosesy dia nanatitra izay fanao isan’andro i Salômôna tamin’ny sabata sy ny voaloham-bolana ary ny fety lehibe telo isan-taona, izany hoe ny fety fihinanana mofo tsy misy leviora, ny fetin’ny Pentekôsta ary ny fetin’ny Tranotomboka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 Ka izay voadidin’ny lalàn’i Môizy dia nateriny isan’andro sy isan-tsabata; ary amin’ny voalohan’ny volana, sy amin’ny fety intelo isan-taona: dia ny fetin’ny azima, ny fetin’ny herinandro, ary ny fetin’ny tabernakla.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 eny, nanatitra izay fanao isan-andro izy araka ny didin’i Mosesy, dia tamin’ny Sabata sy ny voaloham-bolana ary ny fotoam-pivavahana intelo isan-taona, dia tamin’ny andro firavoravoana fihinanana mofo tsy misy masirasira sy ny andro firavoravoana manarakaraka ireo herinandro ary ny andro firavoravoana fitoerana amin’ny trano rantsan-kazo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 eny, nanatitra izay fanao isanandro izy araka ny didin'i Mosesy dia tamin'ny Sabata sy ny voaloham-bolana ary ny fotoam-pivavahana intelo isan-taona, dia tamin'ny andro firavoravoana fihinanana mofo tsy misy masirasira sy ny andro firavoravoana manarakaraka ireo herinandro ary ny andro firavoravoana fitoerana amin'ny trano rantsan-kazo.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

13 eny, nanolotra izay fanao isanandro izy araka ny didin’i Mosesy, dia tamin’ny Sabata sy ny voaloham-bolana ary ny fotoam-pivavahana intelo isan-taona, dia tamin’ny andro firavoravoana fihinanana mofo tsy misy masirasira sy ny andro firavoravoana manaraka ireo Herinandro ary ny andro firavoravoana fitoerana amin’ny trano rantsan-kazo.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 8:13
12 Rohy Ifampitohizana  

Intelo isan-taona i Salômôna no nanolotra sorona dorana manontolo sy sorom-pihavanana teo amin’ny alitara izay naoriny ho an’ny TOMPO. Ary nampandoro vovo-javamanitra koa izy ho fanajana ny TOMPO. Izany no nampiasany ny tempoly.


Fa indro aho efa hanao trano ho voninahitry ny TOMPO Andriamanitro, dia trano izay hatokako ho Azy; ao no handoroana vovo-javamanitra eo anatrehan’ny Tompo sy hasiana ny mofo apetraka tsy tapaka ary hanolorana sorona dorana manontolo, dia ny sorona dorana manontolo isa-maraina sy isan-kariva ary koa izay fanao amin’ny sabata sy amin’ny voaloham-bolana ary amin’ny fetin’ny TOMPO Andriamanitray; ho fepetra raikitra ho an’ny Israelita izany.


Eny, nanao tranotomboka sy nipetraka tao anatiny avokoa ny Fiangonana tsivakivolo, dia ireo olona tafaverina avy any an-tsesitany. Ary nisy fifaliana lehibe tokoa tamin’izany, satria tsy mbola nanao toy izany ny Israelita hatramin’ny andron’i Jesoa no mankatỳ.


«Ankalazao ny fetin’ny Pentekôsta amin’ny fotoana hijinjanareo ny santa-bary, ary ny fetim-bokatra amin’ny fararano.


«Intelo isan-taona ny lehilahy rehetra ao aminareo no hiseho eo anatrehako TOMPO Andriamanitr’i Israely.


Io printsy filohan’i Israely io kosa no hiantoka ny sorona dorana manontolo ary ny fanatitra lafarinina sy divay mandritra ny fety, indrindra fa amin’ny voaloham-bolana sy ny andro sabata ary ny fotoana hafa rehetra fivorian’ny vahoakan’i Israely. Eny, ny printsy filoha no hiantoka ny sorona fanalana ny ota sy ny fanatitra vokatry ny tany ary ny sorona dorana manontolo sy ny sorom-pihavanana mba hahazoana famelan-keloka ho an’ny vahoakan’i Israely.»


Intelo isan-taona ny lehilahy rehetra aminareo no hiseho eo anatrehan’ny TOMPO Andriamanitrareo any amin’ny toerana izay hofidiny, dia amin’ny fankalazana ny mofo tsy misy leviora sy ny fankalazana ny Pentekôsta ary ny fankalazana ny Tranotomboka. Ary aoka tsy ho tanam-polo no hisehoany eo anatrehan’ny Toeramasin’ny TOMPO;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra