Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 8:12 - DIEM PROTESTANTA

12 Tamin’izay i Salômôna dia nanolotra sorona dorana manontolo ho an’ny TOMPO teo ambonin’ny alitara izay naoriny ho Azy teo anoloan’ny vavahadin’ny Toeramasina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Tamin’izany i Solomona dia nanolotra fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO teo ambonin’ny alitaran’NY TOMPO, izay naoriny teo anoloan’ny lalantsara fidirana;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Tamin’izay i Salômôna dia nanolotra sorona dorana manontolo ho an’ny TOMPO teo ambonin’ny alitara izay naoriny ho Azy teo anoloan’ny vavahadin’ny Toeramasina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

12 Tamin’izany i Salômôna dia nanatitra sorona dorana ho an’i Iaveh teo ambonin’ny ôtelin’i Iaveh izay naorina teo anoloan’ny fidirana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 Ary tamin’izany Solomona nanatitra fanatitra dorana ho an’i Jehovah teo ambonin’ny alitaran’i Jehovah, izay naoriny teo anoloan’ny lavarangana fidirana;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Ary tamin'izany Solomona nanatitra fanatitra dorana ho an'i Jehovah teo ambonin'ny alitaran'i Jehovah, izay naoriny teo anoloan'ny lavarangana fidirana;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

12 Tamin’izany i Solomona dia nanolotra fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO teo ambonin’ny alitaran’NY TOMPO, izay naoriny teo anoloan’ny lalantsara fidirana;

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 8:12
8 Rohy Ifampitohizana  

ny lanjan’ireo fitrebika sy loviabe ary kaopy samy volamena madio, ny lanjan’ny siny volamena sy volafotsy araka ny karazany avy,


Dia nandroso teo anatrehan’ny TOMPO i Salômôna ka nanolotra sorona dorana manontolo arivo teo ambonin’ny alitara halimo akaikin’ny Tranolay fihaonana.


Rehefa ren’i Asà izany teny izany na hoe ny faminanian’i Hazarià mpaminany zanakalahin’i Hôdeda, dia nihasahy izy ka nanaisotra ny sampy tamin’ny faritanin’i Joda sy i Benjamîna manontolo ary tamin’ny tanàna izay azony tany amin’ny faritra be tendrombohitra any Efraîma. Avy eo dia nohavaoziny ny alitaran’ny TOMPO, izay teo anoloan’ny fidirana amin’ny tranon’ny TOMPO.


Dia nataon’i Horama koa ny alitara halimo efamira, izay folo metatra ny lafiny ary dimy metatra ny haavony.


Io printsy filohan’i Israely io kosa no hiantoka ny sorona dorana manontolo ary ny fanatitra lafarinina sy divay mandritra ny fety, indrindra fa amin’ny voaloham-bolana sy ny andro sabata ary ny fotoana hafa rehetra fivorian’ny vahoakan’i Israely. Eny, ny printsy filoha no hiantoka ny sorona fanalana ny ota sy ny fanatitra vokatry ny tany ary ny sorona dorana manontolo sy ny sorom-pihavanana mba hahazoana famelan-keloka ho an’ny vahoakan’i Israely.»


Dia nentin’ny TOMPO aho hankao an-kianja anatiny amin’ny tranony. Manoloana ny varavaran’ny Toeramasina, dia nisy tokony ho 25 lahy teo anelanelan’ny Toeramasina sy ny alitara fisoronana. Niamboho ny Toeramasina ireo ary nitodika miantsinanana ka niankohoka mba hivavaka amin’ny masoandro.


Aoka hitomany ao an-tempoly ireo mpisorona izay mpanao fanompoam-pivavahana amin’ny TOMPO! Eo anelanelan’ny lalantsara fidirana sy ny alitara, no aoka hanaovany izany ka hitenenany hoe: «TOMPO ô, mba iantrao ny vahoakanao, aza avela ho afa-baràka ny olonao na holatsain’ny hafa firenena hoe: ‹Aiza izay Andriamanitrareo?› »


I Jesoa dia nitsangantsangana tao an-kianjan’ny tempoly, teo amin’ny lala-mitafon’i Salômôna.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra