2Tantara 7:9 - DIEM PROTESTANTA9 Tamin’ny andro fahavalo no nanaovan’izy mianakavy fivoriana manetriketrika. Fito andro araka izany no nankalazany ny fitokanana ny alitara; ary fito andro hafa koa no nankalazany ny fetin’ny Tranotomboka. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20119 Tamin’ny andro fahavalo dia nanao fivoriana lehibe famaranana izy; fa hafitoana no nitandremany ny fitokanana ny alitara, ary hafitoana koa ny andro firavoravoana. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara9 Tamin’ny andro fahavalo no nanaovan’izy mianakavy fivoriana manetriketrika. Fito andro araka izany no nankalazany ny fitokanana ny alitara; ary fito andro hafa koa no nankalazany ny fetin’ny Tranotomboka. Jereo ny tokoBaiboly Katolika9 Nony tamin’ny andro fahavalo, dia nanao ny fivoriana famaranana ny fety izy, fa hafitoana no nanaovany ny fitokanana ny ôtely, ary hafitoana no nanaovany ny fety. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy9 Ary tamin’ny andro fahavalo dia nanao fara-fivoriana izy; fa hafitoana no nitandremany ny fitokanana ny alitara, ary hafitoana koa ny andro firavoravoana. Jereo ny tokoMalagasy Bible9 Ary tamin'ny andro fahavalo dia nanao fara-fivoriana Izy; fa hafitoana no nitandremany ny fitokanana ny alitara, ary hafitoana koa ny andro firavoravoana. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache9 Tamin’ny andro fahavalo dia nanao fivoriana lehibe famaranana izy; fa hafitoana no nitandremany ny fitokanana ny alitara, ary hafitoana koa ny andro firavoravoana. Jereo ny toko |
Tamin’io volana fahafito io koa no niarahan’i Salômôna nankalaza ny fetin’ny Tranotomboka tamin’ny Israelita rehetra izay tafangona marobe, tonga avy amin’ny lafy valo hatreo Lebô-Hamata ka hatrany amin’ny lohasahan-driakan’i Ejipta. Koa nankalaza fety teo anatrehan’ny TOMPO Andriamanitsika izy nandritra ny fito andro indroa: izany hoe 14 andro.
Isan’andro isan’andro, hatreo amin’ny andro voalohan’io fankalazana io ka hatrany amin’ny andro farany, dia novakîna ny teny tao amin’ny boky mirakitra ny lalànan’Andriamanitra. Naharitra fito andro ny fety; ary tamin’ny andro fahavalo dia nisy fanompoam-pivavahana famaranana nivorian’ny vahoaka, araka ny fanao.
Isan’andro, mandritra ireo fito andro ireo, dia sorona levonina amin’ny afo no haterinareo ho AHY. Ny andro fahavalo dia hisy indray fanompoam-pivavahana hivorianareo ka mbola hanateranareo sorona levonina amin’ny afo koa ho AHY; andro lehibe famaranana ny fankalazana izany, ka aza anaovana ny raharaha andavanandro.