Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 7:8 - DIEM PROTESTANTA

8 Fito andro no niarahan’i Salômôna nankalaza ny fetin’ny Tranotomboka tamin’ny Israelita rehetra izay tafangona marobe, tonga avy amin’ny lafy valo hatreo Lebô-Hamata ka hatrany amin’ny lohasahan-driakan’i Ejipta.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Tamin’izany andro izany i Solomona sy ny Israely rehetra teo aminy, izay fiangonana lehibe hatrany akaiky an’i Hamata ka hatrany amin’ny lohasahan-driakan’i Ejipta, dia nitandrina ny andro firavoravoana hafitoana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Fito andro no niarahan’i Salômôna nankalaza ny fetin’ny Tranotomboka tamin’ny Israelita rehetra izay tafangona marobe, tonga avy amin’ny lafy valo hatreo Lebô-Hamata ka hatrany amin’ny lohasahan-driakan’i Ejipta.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 Hafitoana no nankalazan’i Salômôna ny fety tamin’izany, dia izy mbamin’i Israely rehetra, vahoaka zavon-tany hatrany amin’ny hadilalan’ny Emata ka hatrany amin’ny ranon-driakan’i Ejipta.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Ary tamin’izany andro izany Solomona sy ny Isiraely rehetra izay teo aminy, dia fiangonana lehibe hatrany akaikin’i Hamata ka hatramin’ny lohasahan-driak’i Egypta, dia nitandrina ny andro firavoravoana hafitoana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Ary tamin'izany andro izany Solomona ny Isiraely rehetra izay teo aminy, dia nangonana lehibe hatrany akaikin'i Hamata ka hatramin'ny lohasahan-driak'i Egypta, dia nitandrina ny andro firavoravoana hafitoana.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 Tamin’izany andro izany i Solomona sy ny Israely rehetra teo aminy, izay fiangonana lehibe hatrany akaiky an’i Hamata ka hatrany amin’ny lohasahan-driakan’i Ejipta, dia nitandrina ny andro firavoravoana hafitoana.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 7:8
19 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’izay andro izay ny TOMPO dia nanao fanekempihavanana tamin’i Abrama, ka niteny hoe: –Omeko ny taranakao ity tany ity, manomboka eo amin’ny ranon-driakan’i Ejipta ka hatrany Eofrata ony lehibe


Ary tafavory teo amin’i Salômôna mpanjaka ny vatan-dehilahy israelita rehetra nandritra ilay fety fanao amin’ny volana Etanima, dia ny volana fahafito izany.


Tamin’io volana fahafito io koa no niarahan’i Salômôna nankalaza ny fetin’ny Tranotomboka tamin’ny Israelita rehetra izay tafangona marobe, tonga avy amin’ny lafy valo hatreo Lebô-Hamata ka hatrany amin’ny lohasahan-driakan’i Ejipta. Koa nankalaza fety teo anatrehan’ny TOMPO Andriamanitsika izy nandritra ny fito andro indroa: izany hoe 14 andro.


Tamin’ny volana faharoa dia nisy vahoaka marobe tafavory tao Jerosalema mba hankalaza ny fety fihinanana ny mofo tsy misy leviora. Fiangonana goavana tokoa izany.


Fifaliana goavana no tao Jerosalema; fa hatramin’ny andron’i Salômôna, zanakalahin’i Davida sady mpanjakan’i Israely, dia tsy mbola nisy tahaka izany tao an-tanàna.


Ary tafavory teo amin’ny mpanjaka ny vatan-dehilahy israelita rehetra nandritra ilay fety fanao amin’ny volana fahafito.


«Ary ny amin’ilay fety, izay manomboka rehefa andro faha-15 amin’ny volana fahafito, dia tahaka ny amin’ny fetin’ny Paska ihany no hataon’ny printsy filoha, isan’andro mandritra ny fito andro: na ny sorona fanalana ny ota izany na ny sorona dorana manontolo na ny fanatitra varimbazaha sy diloilo.»


Ny sisin-tany andrefana kosa dia ny Ranomasina Mediteranea no mamaritra azy hatreo atsimo ka hatrany Lebô-Hamata any avaratra. Izay no sisin-tany andrefana.


Kanefa izao no teny hentitra ataon’ny TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao: «Indro Aho, ry taranak’i Israely, hanangana firenena hamely anareo, dia firenena hampahory anareo manomboka hatreo Lebô-Hamata ka hatrany amin’ny lohasahan-driaka Harabà.


Efa akaiky kosa ny fankalazana fanaon’ny Jiosy, dia ny fankalazana ny Tranolay;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra