Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 7:17 - DIEM PROTESTANTA

17 Ny aminao kosa, raha mizotra eo anatrehako tahaka ny nizoran’i Davida rainao ianao, ka manao araka izay andidiako anao sy mitandrina ny didiko amam-dalànako,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

17 Ary ny aminao, raha mandeha eo anatrehako tahaka ny nandehanan’i Davida rainao ianao ka hanatanteraka izay andidiako anao sy hitandrina ny didiko sy ny fitsipiko,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

17 Ny aminao kosa, raha mizotra eo anatrehako tahaka ny nizoran’i Davida rainao ianao, ka manao araka izay andidiako anao sy mitandrina ny didiko amam-dalànako,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

17 Ary ny aminao, raha mandeha eo anatrehako tahaka ny nandehanan’i Davida rainao ianao, ka manaraka an’izay rehetra nandidiako anao, sy mitandrina ny lalàna amam-pitsipiko,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

17 Ary ny aminao, raha handeha eo anatrehako tahaka ny nandehanan’i Davida rainao hianao ka hanao araka izay andidiako anao sy hitandrina ny didiko sy ny fitsipiko,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

17 Ary ny aminao, raha handeha eo anatrehako tahaka ny nandehanan'i Davida rainao ianao ka hanao araka izay andidiako anao sy hitandrina ny didiko sy ny fitsipiko,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

17 Ary ny aminao, raha mandeha eo anatrehako tahaka ny nandehanan’i Davida rainao ianao ka hanatanteraka izay andidiako anao sy hitandrina ny didiko sy ny fitsipiko,

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 7:17
17 Rohy Ifampitohizana  

Raha henoinao izay rehetra andidiako anao ka izoranao ny sori-dalako ary ataonao izay mahitsy eo imasoko sady tandremanao ny lalànako sy ny didiko tahaka ny nataon’i Davida mpanompoko, dia hiaraka aminao Aho ka hampiorina taranaka maharitra ho anao tahaka izay nataoko tamin’i Davida; ary dia homeko anao i Israely,


Tandremo izay andidian’ny TOMPO Andriamanitrao hanarahanao ny sori-dalany ary hitandrovanao ny lalànany sy ny didiny amam-pitsipiny sy ny sàtany araka ny voasoratra ao amin’ny lalànan’i Mosesy; dia hahomby ianao amin’izay rehetra hataonao sy hokasainao.


Ary raha mizotra amin’ny sori-dalako ianao ka mitandrina ny lalànako sy ny didiko tahaka ny nataon’i Davida rainao, dia hohalavaiko ny andronao.


Koa ankehitriny, ry TOMPO Andriamanitr’i Israely ô, mba tanteraho hanambinana an’i Davida raiko sady mpanomponao ilay fampanantenana nataonao taminy, fony Ianao nilaza hoe: ‹Raha mitandrina fitondrantena ireo taranakao, ka mizotra eo anatrehako toy ny nataonao, dia tsy ho diso zanakalahy amin’ireo ianao noho ny amiko, dia zanakalahy izay hanjaka handimby anao eo amin’ny sezafiandrianan’i Israely.›


«Ianao kosa, ry Salômôna zanako, fantaro ilay Andriamanitra notompoin’ny rainao, ka manompoa Azy amin’ny fo manontolo sy amin’ny fanahy mazoto; fa ny TOMPO dia mpandinika ny fon’ny olona rehetra ary mpahafantatra ny fieritreretana rehetra. Raha mitady Azy ianao, dia hahita Azy; fa raha mandao Azy kosa ianao, dia hariany mandrakizay.


Koa ankehitriny, ry TOMPO Andriamanitr’i Israely ô, mba tanteraho hanambinana an’i Davida raiko sady mpanomponao ilay fampanantenana nataonao taminy, fony Ianao nilaza hoe: ‹Raha mitandrina fitondrantena ireo taranakao ka mizotra araka ny lalànako tahaka ny nataonao teo anatrehako, dia tsy ho diso zanakalahy amin’ireo ianao noho ny amiko, dia zanakalahy izay hanjaka handimby anao eo amin’ny sezafiandrianan’i Israely.›


Eny, voafidiko sy natokako ity tempoly ity mba hitoeran’ny voninahitro mandrakizay; ka ho ao mandrakariva ny fiahiako anareo sy ny fitiavako anareo.


dia hampaharitra ny sezafiandrianam-panjakanao Aho, araka ny fanekempihavanana nataoko tamin’i Davida rainao ka nilazako hoe: «Tsy ho diso taranaka handimby ianao mba hifehy an’i Israely.»


mba hitandremany ny didiny sy hankatoavany ny Lalàny. Haleloià!


Enga anie ny fitondrantenako ho matotra amin’ny fitandremana ny lalànanao;


Ny Fanahiko mihitsy no hapetrako ao anatinareo, ka hataoko manaraka ny lalànako ianareo, ary hitandrina sy hanatanteraka ny fitsipiko.


«Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: Raha izoranao ny sori-dàlako, ka tandremanao ny didiko, dia ianao no hiandraikitra ny tranoko sy hitandrina ny kianjan’ny tempoly ary hisy hataoko mpanoro hevitra anao amin’ireto olona mijoro etoana ireto.»


Izay manana ireo didiko sy mitandrina azy no tia Ahy; ary izay tia Ahy dia hotiavin’ny Raiko, ary Izaho koa ho tia azy ka hiseho aminy.


Raha mitandrina ireo didiko ianareo, dia hitoetra ao amin’izany fitiavako anareo izany, tahaka ny nitandremako ireo didin’ny Raiko sy itoerako ao amin’ny fitiavana Ahy.


Dia tandremo ny lalànany sy ny didiny izay ampitaiko aminareo anio, mba hahita soa ianareo sy ny taranaka amam-paranareo ary mba ho maro andro ianareo any amin’ny tany izay omen’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo amin’ny taona rehetra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra