17 Ary ny aminao, raha mandeha eo anatrehako tahaka ny nandehanan’i Davida rainao ianao, ka manaraka an’izay rehetra nandidiako anao, sy mitandrina ny lalàna amam-pitsipiko,
17 Ary ny aminao, raha mandeha eo anatrehako tahaka ny nandehanan’i Davida rainao ianao ka hanatanteraka izay andidiako anao sy hitandrina ny didiko sy ny fitsipiko,
17 Ny aminao kosa, raha mizotra eo anatrehako tahaka ny nizoran’i Davida rainao ianao, ka manao araka izay andidiako anao sy mitandrina ny didiko amam-dalànako,
17 Ny aminao kosa, raha mizotra eo anatrehako tahaka ny nizoran’i Davida rainao ianao, ka manao araka izay andidiako anao sy mitandrina ny didiko amam-dalànako,
17 Ary ny aminao, raha handeha eo anatrehako tahaka ny nandehanan’i Davida rainao hianao ka hanao araka izay andidiako anao sy hitandrina ny didiko sy ny fitsipiko,
17 Ary ny aminao, raha handeha eo anatrehako tahaka ny nandehanan'i Davida rainao ianao ka hanao araka izay andidiako anao sy hitandrina ny didiko sy ny fitsipiko,
17 Ary ny aminao, raha mandeha eo anatrehako tahaka ny nandehanan’i Davida rainao ianao ka hanatanteraka izay andidiako anao sy hitandrina ny didiko sy ny fitsipiko,
Raha manaraka izay rehetra andidiako anao ianao, ka mandeha amin’ny lalako, sy manao izay mahitsy eo imasoko, mitandrina ny lalàna aman-didiko, tahaka ny nataon’i Davida mpanompoko, dia homba anao Aho, hanao trano maharitra ho anao, tahaka ny nataoko tamin’i Davida Mpanompoko ary homeko anao i Israely.
Tandremo ny fanompoana an’i Iaveh Andriamanitrao, fa araho ny lalany, tandremo ny didy aman-dalàny, ny fitsipika amam-pandaharany, araka ny voasoratra ao amin’ny lalàn’i Môizy, mba hahomby ianao amin’izay hataonao rehetra sy izay rehetra noherehinao,
Koa ankehitriny, ry Iaveh Andriamanitr’i Israely ô, noho ny fankasitrahanao an’i Davida raiko mpanomponao, dia tanteraho izay voalazanao taminy hoe: Tsy ho lany taranaka hipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Israely eo anatrehako, ianao, raha mitandrina ny lalany ny zanakao, ka mandeha eo anatrehako, toy ny nandehananao teo anatrehako.
Ary ianao, ry Salômôna, zanako, mahalalà ny Andriamanitry ny rainao, ka manompoa Azy amin’ny fo mazava sy amin’ny fanahy mazoto, fa i Iaveh dia mandinika ny fo rehetra sy maninteraka ny hevitry ny saina rehetra. Raha mitady Azy ianao, dia hety ho hitanao Izy; fa raha mandao Azy kosa ianao, dia hariany mandrakizay.
Ary ankehitriny, ry Iaveh Andriamanitr’i Israely ô, tanteraho noho ny fitiavanao an’i Davida mpanomponao raiko, ny teny nataonao taminy hoe: ‹Tsy ho lany taranaka eo anatrehako ianao, fa hisy hipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Israely mandrakizay, raha tany ny taranakao mitandrina ny lalana alehany ka mizotra amin’ny lalàko toy ny fandehananao eo anatrehako.›
dia hataoko mafy orina ny seza fiandrianan’ny fanjakanao, araka ny efa nifanekeko tamin’i Davida rainao, nataoko hoe: Tsy ho lany taranaka hanjaka eo amin’i Israely ianao na oviana na oviana.
Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Raha mizotra amin’ny lalako ianao sy mahatoky ianao amin’ny fanaovana ny raharahako, dia hanapaka ny tranoko koa ianao; sy hiambina ny kianjako, sady havelako malalaka hiditra ho isan’ireto izay mitoetra atỳ.
Tandremo ny lalàny sy ny didiny, izay andidiako anao anio, mba ho sambatra ianao, dia ianao sy ny zanakao manaraka anao, ary mba ho lava ny andronao, amin’ny taona mifandimby rehetra any amin’ny tany homen’i Iaveh Andriamanitrao anao.