Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 5:2 - DIEM PROTESTANTA

2 Tamin’izay fotoana izay dia novorîn’i Salômôna tao Jerosalema ny loholon’i Israely sy ny lehibem-poko rehetra ary ireo filoham-pianakaviana israelita mba hampakatra ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO, avy ao Tsiôna Tanànan’i Davida hankao an-tempoly.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Tamin’izay dia novorin’i Solomona ny loholon’ny Israely sy ny lohan’ny foko rehetra, dia ny lohan’ny fianakavian’ny Zanak’Israely, ho any Jerosalema hampakatra ny vata misy ny faneken’NY TOMPO avy any Ziona, Tanànan’i Davida.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 Tamin’izay fotoana izay dia novorîn’i Salômôna tao Jerosalema ny loholon’i Israely sy ny lehibem-poko rehetra ary ireo filoham-pianakaviana israelita mba hampakatra ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO, avy ao Tsiôna Tanànan’i Davida hankao an-tempoly.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 Tamin’izay dia novorin’i Salômôna tany Jerosalema ny loholon’i Israely sy ny lohan’ny isam-poko rehetra, ary ny loham-pianakavian’ny zanak’i Israely, hamindra ny fiaran’ny faneken’i Iaveh avy amin’ny tanànan’i Davida, izany hoe any Siôna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 ARY tamin’izany dia novorin’i Solomona ny loholon’ny Isiraely sy ny lehiben’ny firenena rehetra, dia ny lohan’ny fianakavian’ny Zanak’Isiraely, ho any Jerosalema hampakatra ny fiaran’ny faneken’i Jehovah avy any Ziona, Tanànan’i Davida.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Ary tamin'izany dia novorin'i Solomona ny loholon'ny Isiraely sy ny lehiben'ny firenena rehetra, dia ny lohan'ny fianakavian'ny Zanak'isiraely ho any Jerosalema hampakatra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah avy any Ziona, Tanànan'i Davida.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 Tamin’izay dia novorin’i Solomona ny loholon’ny Israely sy ny lohan’ny foko rehetra, dia ny lohan’ny fianakavian’ny Zanak’Israely, ho any Jerosalema hampakatra ny vata misy ny faneken’NY TOMPO avy any Ziona*, Tanànan’i Davida.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 5:2
21 Rohy Ifampitohizana  

Kanjo azon’i Davida ihany ilay tanànamimanda, dia i Tsiôna izay hatao hoe Tanànan’i Davida.


Nisy nilaza tamin’i Davida mpanjaka fa ny TOMPO efa nitahy ny ankohonan’i Hôbeda-Edôma sy izay nananany rehetra noho ny amin’ny Vatamasin’Andriamanitra. Dia niainga i Davida nampakatra ny Vatamasin’Andriamanitra avy tao an-tranon’i Hôbeda-Edôma ho any an-tanànan’i Davida.


I Davida dia nanao trano ho an’ny tenany tao «an-tanànan’i Davida», sady nanomana toerana sy nanorina tranolay teo ho an’ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’Andriamanitra.


ka nilazany hoe: –Ianareo loham-pianakaviana levita, manaova ny fomba fidiovana ianareo sy ny namanareo, dia ampakaro ilay Vatamasin’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely, ho eo amin’ny toerana izay efa namboariko ho azy.


Feno fifaliana i Davida sy ny loholon’i Israely mbamin’ny komandin-tafika mifehy arivo no nandeha hampakatra ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO, avy ao an-tranon’i Hôbeda-Edôma.


Dia novorin’i Davida tao Jerosalema i Israely lafy valo mba hampakatra ny Vatamasin’ny TOMPO ho eo amin’ny toerana izay efa namboarina ho azy.


Dia nentina ny Vatamasina ka napetraka tao afovoan’ny tranolay izay efa namboarin’i Davida ho azy. Avy eo dia nisy sorona dorana manontolo sy sorom-pihavanana natolotra teo anatrehan’Andriamanitra.


Toraka ireo rahalahiny, taranak’i Aharôna, ny levita koa dia mba notsinjaraina fanompoana tamin’ny antsapaka teo anatrehan’i Davida mpanjaka, teo anatrehan’i Tsadôka sy i Abimelèka, ary teo anatrehan’ny loham-pianakavian’ny mpisorona sy ny loham-pianakavian’ny levita: samy natao antsapaka mifanarakaraka na ny fianakavian’ny zokiny na ny fianakavian’ny zandriny.


I Semahià, izay zanakalahin’i Natanaela sady mpitantsoratra anankiray anisan’ny levita, no nanoratra izany fitsinjarazarana izany teo anatrehan’ny mpanjaka sy ny mpanapaka, teo anatrehan’i Tsadôka mpisorona sy i Ahimelèka zanakalahin’i Abiatara, ary teo anatrehan’ny loham-pianakavian’ny mpisorona sy ny loham-pianakavian’ny levita: hatrany hatrany, dia fianakaviana roa no nalaina antsapaka tamin’ny terak’i Elehazara, vao iray kosa tamin’ny terak’i Itamara.


Io Selômôta io sy ny havany no mpiandraikitra ny zavatra sarobidy voatokana ho an’Andriamanitra, dia ireo zavatra natokan’i Davida mpanjaka sy ireo loham-pianakaviany ary ny komandin-tafika mpifehy arivo sy mpifehy zato.


Novorin’i Davida tany Jerosalema ny lehibe rehetra tamin’ny Israely: filohan’ireo foko, lehiben’ny andian-tafika manompo ny mpanjaka, komandin-tafika mpifehy arivo na mpifehy zato, mpiandraikitra ny fananana sy biby fiompy rehetra an’ny mpanjaka sy an-janany, tandapa, lehilahy mahery, izany hoe ny manampahefana rehetra.


Ny Vatamasin’Andriamanitra moa dia efa nampakarin’i Davida avy tany Kiriata-Jeharîma ho ao amin’ny toerana izay nomaniny hasiana azy; fa efa nanangana lay ho azy tao Jerosalema izy.


Rehefa vita ny asa rehetra nataon’i Salômôna ho an’ny tranon’ny TOMPO, dia nasainy nentina ny zavatra efa natokan’i Davida rainy ho an’Andriamanitra, dia ny volafotsy sy volamena ary ny kojakoja isan-karazany, ka napetrany tao amin’ny efitrano fitahirizan-drakitry ny tranon’Andriamanitra.


Ny levita mpihira rehetra kosa, izany hoe i Asafa sy i Hemàna ary i Jedotòna mbamin’ny zanany sy ny mpiray tarika aminy, dia nitafy rongony fotsy madinika; ary nitsangana teo atsinanan’ny alitara fisoronana izy ireo sady nitondra kipantsona sy valiha ary lokanga. Teo anilan’ny levita mpihira dia nisy koa mpisorona 120 izay nahay nitsoka trompetra.


«Izaho no manendry Azy ho mpanjaka eo Tsiôna tendrombohitro masina!»


Tiany tokoa ny tanànan’i Tsiôna mihoatra noho ny toerana rehetra izay nonenan’ireo taranak’i Jakôba.


Rehefa nentina teo anoloan’ny Tranolay fihaonana ny zavatra nandidian’i Mosesy, dia nanatona ny Fiangonan’ny Israelita tsivakivolo ka nijanona teo anatrehan’ny Toeramasin’ny TOMPO.


Niala tao an-tendrombohitry ny TOMPO ireo Israelita ka nandeha lalana telo andro. Nialoha azy ireo tamin’izany lalana telo andro izany ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO mba hitady izay toerana hahafahan’ny vahoaka mitoby.


Rehefa nijanona kosa ny Vatamasina, dia hoy i Mosesy hoe: «TOMPO ô, miverena eo anivon’ny fianakaviana anarivoarivon’i Israely».


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra