Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 5:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Rehefa vita ny asa rehetra nataon’i Salômôna ho an’ny tranon’ny TOMPO, dia nasainy nentina ny zavatra efa natokan’i Davida rainy ho an’Andriamanitra, dia ny volafotsy sy volamena ary ny kojakoja isan-karazany, ka napetrany tao amin’ny efitrano fitahirizan-drakitry ny tranon’Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Toy izany no nahavitana ny asa rehetra nataon’i Solomona ho amin’ny tranon’NY TOMPO; ary nampidirin’i Solomona tao amin’ny tempoly ny zavatra rehetra izay efa nohamasinin’i Davida rainy, dia ny volafotsy sy ny volamena; ary ny fanaka rehetra dia nataony ho ao amin’ny efitrano fitahirizana ao amin’ny tranon’Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Rehefa vita ny asa rehetra nataon’i Salômôna ho an’ny tranon’ny TOMPO, dia nasainy nentina ny zavatra efa natokan’i Davida rainy ho an’Andriamanitra, dia ny volafotsy sy volamena ary ny kojakoja isan-karazany, ka napetrany tao amin’ny efitrano fitahirizan-drakitry ny tranon’Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Toy izany no nahavitan’ny voa-javatra rehetra nataon’i Salômôna amin’ny tranon’i Iaveh. Dia nalain’i Salômôna ny zavatra rehetra natokan’i Davida rainy, sy ny volafotsy amam-bolamena mbamin’ny fanaka rehetra ka nataony tao amin’ny rakitry ny tranon’i Iaveh.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 Toy izany no nahavitana ny asa rehetra nataon’i Solomona ho amin’ny tranon’i Jehovah; ary nampidirin’i Solomona ny zavatra rehetra izay efa nohamasinin’i Davida rainy, dia ny volafotsy sy ny volamena; ary ny fanaka rehetra dia nataony tao amin’ny rakitry ny tranon’ Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Toy izany no nahavitana ny asa rehetra nataon'i Solomona ho amin'ny tranon'i Jehovah; ary nampidirin'i Solomona ny zavatra rehetra izay efa nohamasinin'i Davida rainy dia ny volafotsy sy ny volamena; ary ny fanaka rehetra dia nataony tao amin'ny rakitry ny tranon'Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Toy izany no nahavitana ny asa rehetra nataon’i Solomona ho amin’ny tranon’NY TOMPO; ary nampidirin’i Solomona tao amin’ny tempoly ny zavatra rehetra izay efa nohamasinin’i Davida rainy, dia ny volafotsy sy ny volamena; ary ny fanaka rehetra dia nataony ho ao amin’ny efitrano fitahirizana ao amin’ny tranon’Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 5:1
7 Rohy Ifampitohizana  

Natokan’i Davida mpanjaka ho an’ny TOMPO ireo fanaka ireo, tahaka ny nanokanany ny volafotsy sy ny volamena azony tamin’ireo firenena hafa rehetra efa resiny,


Nametraka kalesy dimy teo amin’ny ila ankavanan’ny tempoly izy, ary dimy hafa teo amin’ny ila ankavia. Ny fitobian-drano goavana dia napetrany teo amin’ny ila ankavanan’ny tempoly, akaikin’ny zoro atsimo atsinanana.


Rehefa vita ny asa rehetra nataon’i Salômôna ho an’ny tranon’ny TOMPO, dia nasainy nentina ny zavatra efa natokan’i Davida rainy ho an’Andriamanitra, dia ny volafotsy sy volamena ary ny kojakoja samihafa ka napetrany tao amin’ny efitrano fitahirizan-drakitry ny tranon’ny TOMPO.


Ireo fanaka ireo koa dia natokan’i Davida mpanjaka ho an’ny TOMPO, niaraka tamin’ny volafotsy sy volamena izay nentiny avy any amin’ny firenena hafa rehetra: dia ny Edômita sy Môabita ary Hamônita mbamin’ny Filistinina sy Hamalekîta.


He! nanao ezaka mafy aho ka nahavonona ho an’ny tranon’ny TOMPO ireto fitaovana ireto: volamena milanja telo tapitrisa kilao mahery, volafotsy milanja telopolo tapitrisa kilao mahery, halimo sy vy betsaka tsy hita lanja; ary nahavonona hazo sy vato koa aho. Dia hampianao kosa ireo.


ny antsy, ny tsatokaty famafazana, ny kaopy, ary ny fitoeran-davenon-jiro, dia samy volamena madio; ny lelavaravarana, na ny mankao amin’ny Toeramasina Indrindra, na ny mankao amin’ny efitrano malalaka, dia samy volamena avokoa.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra