9 Dia nankany amin’i Hilkià mpisorombe izy telo lahy ary nanome azy ny vola naterin’ny olona tao an-tranon’Andriamanitra; io vola io dia ny levita mpiandry varavarana no nanangona azy tamin’ny Manasita sy ny Efraimita mbamin’ny Israelita tavaratra sisa rehetra, ary koa tamin’ny Jodeanina sy ny Benjaminita rehetra mbamin’ny mponin’i Jerosalema.
9 Dia nankany amin’i Hilkià mpisorombe izy telo lahy ary nanome azy ny vola naterin’ny olona tao an-tranon’Andriamanitra; io vola io dia ny levita mpiandry varavarana no nanangona azy tamin’ny Manasita sy ny Efraimita mbamin’ny Israelita tavaratra sisa rehetra, ary koa tamin’ny Jodeanina sy ny Benjaminita rehetra mbamin’ny mponin’i Jerosalema.
9 Nankao amin’i Helkiasa mpisorona lehibe ireo, nanolotra ny vola naterina tao an-tranon’Andriamanitra, nangonin’ireo Levita mpiandry varavarana avy tamin’i Manase sy i Efraima, mbamin’i Israely rehetra sy i Jodà rehetra ary i Benjamina sy ny mponina ao Jerosalema.
9 Ary rehefa tonga teo amin’i Hilkia mpisoronabe izy, dia natolony ny vola izay nampidirina tao an-tranon’Andriamanitra, izay efa nangonin’ny Levita, mpiandry varavarana, tamin’ny Manase sy ny Efraima sy ny sisa rehetra tamin’ny Isiraely, ary tamin’ny Joda sy ny Benjamina rehetra sy ny mponina tany Jerosalema.
9 Ary rehefa tonga teo amin'i Hilkia mpisoronabe izy, dia natolony ny vola izay nampidirina tao an-tranon'Andriamanitra, izay efa nangonin'ny Levita, mpiandry varavarana, tamin'ny Manase sy ny Efraima sy ny sisa rehetra tamin'ny Isiraely, ary tamin'ny Joda sy ny Benjamina rehetra sy ny mponina tany Jerosalema.
Dia nomen’ny mpanjaka baiko i Hilkià mpisorombe sy ireo mpisorona lefiny ary ny mpiambina varavarana mba hamoaka any ivelan’ny tempoly ireo kojakoja rehetra natao hivavahana tamin’i Bahala sy tamin’i Aserà ary tamin’ireo planeta aman-kintana. Nodorany tany ivelan’i Jerosalema tao amin’ny sahan’i Kidrôna ireny; ka nentiny nankany Betela ny lavenony.
Dia notetezin’ireto iraka faingam-pandeha ny tanàna amin’ny faritra efraimita sy manasita ka hatrany amin’ny faritra zebolonita; fa nihomehezan’ny olona sy novazivaziny foana ireo.
Ny ankamaroan’ny olona, indrindra fa ireo anisan’ny foko efraimita sy manasita ary jisakarita sy zebolonita, no tsy nidio tena, kanefa nihinana ny sakafo Paska ihany, na dia tsy araka izay voasoratra aza. Saingy nivavaka ho an’ireny i Hezekià ka nanao hoe: «TOMPO tsara fo ô, mba mamelà
Nony vita izany rehetra izany, dia niainga nankany amin’ireo tanàna jodeanina ny Israelita tsy an-kanavaka izay teo ka nanamontsamontsana ny tsangambaton-tsampy sy nikapa ny tsatokazo fanajana an’i Aserà ary nandrava ny toeram-panasinana sy alitara fanompoan-tsampy eran’i Joda sy i Benjamîna ary koa tamin’ny foko efraimita sy manasita ambara-paharavany azy rehetra. Taorian’izay dia samy nody ho any amin’ny taniny sy ny tanànany avy izy rehetra.
ary nomeny baiko i Hilkià, sy i Ahikama zanakalahin’i Safàna, ary i Habdôna zanakalahin’i Mikà mbamin’i Safàna mpitantsoratra sy i Hasaià mpandraharahany ka nilazany hoe:
Dia nankany amin’i Holdà mpaminanivavy i Hilkià sy ireo olon-kafa voatendrin’ny mpanjaka. I Holdà, izay nonina tao Antanambaon’i Jerosalema, dia vadin’i Saloma zanakalahin’i Tôkehata sy zafikelin’i Hasrà sady mpitahiry ny fanamiana masina tao an-tempoly. Koa rehefa niresaka tamin-dravehivavy ry i Hilkià,
Ny mpandraharahan’i Jôsià koa dia nanome biby ho an’ny vahoaka sy ho an’ny mpisorona ary ho an’ny levita. I Hilkià sy i Zakarià ary i Jehiela izay samy mpiandraikitra ny tranon’Andriamanitra, dia nanome ondry aman’osy 2 600 ary omby roa arivo ho an’ny mpisorona mba hatao soron’ny Paska.
Farany, ry havana, aoka hoheverinareo izay zavatra tsara sy maha te hidera: dia izay rehetra marina, manan-kaja, ara-drariny, madio, mahatehotia ary tsara laza.