9 Nankao amin’i Helkiasa mpisorona lehibe ireo, nanolotra ny vola naterina tao an-tranon’Andriamanitra, nangonin’ireo Levita mpiandry varavarana avy tamin’i Manase sy i Efraima, mbamin’i Israely rehetra sy i Jodà rehetra ary i Benjamina sy ny mponina ao Jerosalema.
9 Dia nankany amin’i Hilkià mpisorombe izy telo lahy ary nanome azy ny vola naterin’ny olona tao an-tranon’Andriamanitra; io vola io dia ny levita mpiandry varavarana no nanangona azy tamin’ny Manasita sy ny Efraimita mbamin’ny Israelita tavaratra sisa rehetra, ary koa tamin’ny Jodeanina sy ny Benjaminita rehetra mbamin’ny mponin’i Jerosalema.
9 Dia nankany amin’i Hilkià mpisorombe izy telo lahy ary nanome azy ny vola naterin’ny olona tao an-tranon’Andriamanitra; io vola io dia ny levita mpiandry varavarana no nanangona azy tamin’ny Manasita sy ny Efraimita mbamin’ny Israelita tavaratra sisa rehetra, ary koa tamin’ny Jodeanina sy ny Benjaminita rehetra mbamin’ny mponin’i Jerosalema.
9 Ary rehefa tonga teo amin’i Hilkia mpisoronabe izy, dia natolony ny vola izay nampidirina tao an-tranon’Andriamanitra, izay efa nangonin’ny Levita, mpiandry varavarana, tamin’ny Manase sy ny Efraima sy ny sisa rehetra tamin’ny Isiraely, ary tamin’ny Joda sy ny Benjamina rehetra sy ny mponina tany Jerosalema.
9 Ary rehefa tonga teo amin'i Hilkia mpisoronabe izy, dia natolony ny vola izay nampidirina tao an-tranon'Andriamanitra, izay efa nangonin'ny Levita, mpiandry varavarana, tamin'ny Manase sy ny Efraima sy ny sisa rehetra tamin'ny Isiraely, ary tamin'ny Joda sy ny Benjamina rehetra sy ny mponina tany Jerosalema.
Dia nandidy an’i Helkiasa mpisorona lehibe, sy ny mpisorona amin’ny ambaratonga faharoa ary ny mpiandry varavarana, ny mpanjaka, hamoaka ho eo ivelan’ny tempolin’i Iaveh ny fanaka rehetra natao ho an’i Baala, sy i Astarte mbamin’ny tafiky ny lanitra rehetra; nodorany tany ivelan’i Jerosalema any amin’ny sahan’i Sedrôna ireny, ary nasainy nentina ho any Betela ny vovony.
Notetezin’ny mpihazakazaka toy izany avokoa ny tanàna any amin’ny tanin’i Efraima sy i Manase, ka hatrany amin’i Zabolôna; nefa nihomehezan’ny olona sy novazivaziny foana izy.
Fa betsaka tamin’ny vahoaka, maro tamin’i Efraima, i Manase, i Isakara, i Zabolôna, no dia tsy nandio tena, ka nihinana ny Paka ihany, nefa tsy nanaraka izay voasoratra. Fa dia nivavaka ho azy ireo i Ezekiasa, nanao hoe:
Nony vita izany rehetra izany, dia niainga ny avy amin’i Israely rehetra izay teo, nankany amin’ny tanànan’i Jodà, ka notorotoroiny ny tsangam-bato, nokapainy ny aserah, noravany avokoa ny fitoerana avo aman’ôtely eran’i Jodà sy i Benjamina mbamin’i Efraima sy i Manase, nataony fongotra mihitsy. Izay vao samy nody any an-tanànany ny zanak’i Israely rehetra, samy ho any amin’ny anjara taniny.
Ny lehibe nanolotra fanomezana an-tsitrapo ho an’ny vahoaka sy ny mpisorona ary ny Levita. I Helkiasa, i Zakariasa ary i Jahiela, filohany ao an-tranon’i Iaveh, nanome zanak’ondry 2.600 sy omby 300, ho an’ny mpisorona, hanaovana ny Paka.
Farany, ry kristianina havana, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona rariny, na inona na inona madio, na inona na inona mahatehotia, na inona tsara laza, rehefa mety ho hatsaram-panahy, sy rehefa mety ho misy dera koa, dia aoka hoheverinareo izany.