Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 32:12 - DIEM PROTESTANTA

12 Kanefa io Hezekià io koa no nandrava ireo toeram-pisoronana aman’alitarany, ka nandidy ny mponin’i Joda sy i Jerosalema mba tsy hanao fanompoam-pivavahana afa-tsy eo anoloan’ny alitara tokana ary tsy handoro sorona hanetona afa-tsy eo ihany?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Tsy io Hezekia io ihany koa va no nandrava ny toerana fanaovana sorona ny sy ny alitarany ary nanome didy ny Joda sy Jerosalema hoe: Eo anoloan’ny alitara iray no hiankohofanareo sy handoroanareo ditin-kazo manitra?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Kanefa io Hezekià io koa no nandrava ireo toeram-pisoronana aman’alitarany, ka nandidy ny mponin’i Joda sy i Jerosalema mba tsy hanao fanompoam-pivavahana afa-tsy eo anoloan’ny alitara tokana ary tsy handoro sorona hanetona afa-tsy eo ihany?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

12 Tsy io Ezekiasa io indrindra va no nandrava ny fitoerana avo sy ny ôtelin’i Iaveh, ka nilaza tamin’i Jodà sy i Jerosalema hoe: Eo anoloan’ny ôtely iray monja no hiankohofanareo ary ao no anateranareo zava-manitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 Tsy io Hezekia io ihany koa va no nandrava ny fitoerana avony sy ny alitarany ary nandidy ny Joda sy Jerosalema ka nanao hoe: Eo anoloan’ny alitara iray no hiankohofanareo sy handoroanareo ditin-kazo manitra?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Tsy io Hezekia io ihany koa va no nandrava ny fitoerana avony sy ny alitarany ary nandidy ny Joda sy Jerosalema ka nanao hoe: Eo anoloan'ny alitara iray no iankohofanareo sy handoroanareo ditin-kazo manitra ?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

12 Tsy io Hezekia io ihany koa va no nandrava ny toerana fanaovana sorona ny sy ny alitarany ary nanome didy ny Joda sy Jerosalema hoe: Eo anoloan’ny alitara iray no hiankohofanareo sy handoroanareo ditin-kazo manitra?

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 32:12
14 Rohy Ifampitohizana  

Nampanaovin’i Salômôna koa ny kojakoja volamena rehetra izay nilaina tao amin’ny tranon’ny TOMPO: dia ny alitara volamena; ny latabatra fametrahana ny mofo aterina ho an’Andriamanitra;


«Angamba ianareo hamaly ahy fa ny TOMPO Andriamanitrareo no itokianareo. Kanefa dia ianao indrindra, ry Hezekià, no nanafoana ireo toeram-pisoronana aman’alitarany, ka nandidy ny mponin’i Joda sy i Jerosalema mba tsy hanao fanompoam-pivavahana afa-tsy eo anoloan’ny alitaran’i Jerosalema ihany.»


Izy no nanafoana ny toeram-panasinana sy nanamontsana tsangambaton-tsampy sy nikapa ny tsatokazo fanajana an’i Aserà ary nanorotoro ny bibilava halimo izay nataon’i Mosesy; satria hatramin’io fotoana io no efa nandoroan’ny Israelita ditin-kazo manitra ho an’ilay bibilava nantsoina hoe Nehostana.


Dia nirotsaka nandrava ireo alitara fanompoan-tsampy tao Jerosalema ny olona; noravany koa ireo alitara fandoroana vovo-javamanitra ka nariany tany amin’ny lohasahan-driaka Kidrôna.


Nony vita izany rehetra izany, dia niainga nankany amin’ireo tanàna jodeanina ny Israelita tsy an-kanavaka izay teo ka nanamontsamontsana ny tsangambaton-tsampy sy nikapa ny tsatokazo fanajana an’i Aserà ary nandrava ny toeram-panasinana sy alitara fanompoan-tsampy eran’i Joda sy i Benjamîna ary koa tamin’ny foko efraimita sy manasita ambara-paharavany azy rehetra. Taorian’izay dia samy nody ho any amin’ny taniny sy ny tanànany avy izy rehetra.


Tsy i Hezekià ihany va no manambosy anareo hanolo-tena ho faty mosary sy hetaheta ka milaza fa ny TOMPO Andriamanitrareo no hamonjy anareo tsy hiharan’ny fahefàko?


Mbola nanao sorona teny amin’ny toeram-pisoronana hafa ny olona, saingy ho an’ny TOMPO Andriamaniny ihany no nanolorany izany.


Dia nataon’i Horama koa ny alitara halimo efamira, izay folo metatra ny lafiny ary dimy metatra ny haavony.


Angamba ianao hamaly ahy fa ny TOMPO Andriamanitrareo no itokianareo. Kanefa dia ianao indrindra, ry Hezekià, no nanafoana ny toeram-pisoronana aman’alitarany ka nandidy ny mponin’i Joda sy Jerosalema mba tsy hiankohoka afa-tsy eo anoloan’ny alitaran’i Jerosalema ihany?»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra