Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 27:2 - DIEM PROTESTANTA

2 Nanao izay mahitsy eo imason’ny TOMPO i Jôtama, tahaka izay nataon’i Hozià rainy, kanefa tsy mba niditra tao amin’ny Toeramasin’ny TOMPO. Saingy mbola niharatsy toetra ihany ny vahoaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Nanao izay mahitsy teo imason’NY TOMPO izy, tahaka izay nataon’i Ozia rainy; nefa kosa tsy mba niditra tao amin’ny tempolin’NY TOMPO izy. Ary mbola nanao izay ratsy ihany ny vahoaka rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 Nanao izay mahitsy eo imason’ny TOMPO i Jôtama, tahaka izay nataon’i Hozià rainy, kanefa tsy mba niditra tao amin’ny Toeramasin’ny TOMPO. Saingy mbola niharatsy toetra ihany ny vahoaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 Nanao izay mahitsy eo imason’i Iaveh, araka izay rehetra nataon’i Oziasa rainy izy, fa tsy mba niditra tao an-tempolin’i Iaveh; ny vahoaka kosa mbola niharatsy ihany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Ary nanao izay mahitsy eo imason’i Jehovah izy, tahaka izay nataon’i Ozia rainy; nefa kosa tsy mba niditra tao amin’ny tempolin’i Jehovah izy. Ary ny vahoaka rehetra mbola nanao ratsy ihany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Ary nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah izy, tahaka izay nataon'i Ozia rainy; nefa kosa tsy mba niditra tao amin'ny tempolin'i Jehovah izy. Ary ny vahoaka rehetra mbola nanao ratsy ihany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 Nanao izay mahitsy teo imason’NY TOMPO izy, tahaka izay nataon’i Ozia rainy; nefa kosa tsy mba niditra tao amin’ny tempolin’NY TOMPO izy. Ary mbola nanao izay ratsy ihany ny vahoaka rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 27:2
8 Rohy Ifampitohizana  

Nanao izay mahitsy eo imason’ny TOMPO i Hozià, tahaka izay rehetra nataon’i Amatsià rainy.


Feno roapolo taona i Ahaza fony izy tonga mpanjaka; ary naharitra 16 taona no nanjakany tao Jerosalema. Tsy mba nanao izay mahitsy eo imason’ny TOMPO tahaka an’i Davida razambeny izy,


Mihorohoro ny nofoko noho ny aminao, fa atahorako tokoa ny fitsipikao.


Dia nilaza tamin’i Mosesy ny TOMPO hoe: –Andeha midina izao ianao, fa efa nanao heloka bevava ny vahoaka izay navoakanao hiala tany Ejipta.


Loza! firenena mpanota ianao, ry Joda; vahoaka mivesatra heloka ianareo, solofon’ny mpanao ratsy, taranaka lomorina! Nilaozanareo ny TOMPO, nataonareo tsinontsinona ilay Masin’i Israely, fa niamboho Azy ianareo.


ary tsy nisy olon-kafa sahy nikambana taminy, kanefa nataon’ny vahoaka tsara laza izy ireo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra