Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 21:2 - DIEM PROTESTANTA

2 Nanan-drahalahy zanak’i Jôsafata koa i Jôrama, dia i Hazarià sy i Jehiela, i Zakarià sy i Hazarià ary i Mikaela sy i Sefatià; izy rehetra ireo no zanakalahin’i Jôsafata, mpanjakan’i Joda.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Nanana rahalahy, zanak’i Josafata, koa izy, dia i Azaria, i Jehiela, i Zakaria, i Azaria, i Mikaela ary i Sefatia; ireo rehetra ireo no zanak’i Josafata, mpanjakan’ny Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 Nanan-drahalahy zanak’i Jôsafata koa i Jôrama, dia i Hazarià sy i Jehiela, i Zakarià sy i Hazarià ary i Mikaela sy i Sefatià; izy rehetra ireo no zanakalahin’i Jôsafata, mpanjakan’i Joda.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 Nanan-drahalahy zanak’i Jôsafata koa i Jôrama, dia i Azariasa, i Jahiela, i Zakariasa, i Azariasa, i Mikaela, ary i Safatiasa; zanak’i Jôsafata mpanjakan’i Jodà avokoa ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Ary nanan-drahalahy, zanak’i Josafata, koa izy, dia Azaria sy Jehiela sy Zakaria sy Azaria sy Mikaela ary Sefatia; ireo rehetra ireo no zanak’i Josafata, mpanjakan’ny Isiraely.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Ary nanan-drahalahy, zanak'i Josafata, koa izy, dia Azaria sy Jehiela sy Zakaria sy Azaria sy Mikaela ary Sefatia; ireo rehetra ireo no zanak'i Josafata, mpanjakan'ny Isiraely.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 Nanana rahalahy, zanak’i Josafata, koa izy, dia i Azaria, i Jehiela, i Zakaria, i Azaria, i Mikaela ary i Sefatia; ireo rehetra ireo no zanak’i Josafata, mpanjakan’ny Israely.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 21:2
10 Rohy Ifampitohizana  

Dia niaiky hadisoana ny mpanjaka sy ireo mpifehy ny Israelita tatsimo ka nanao hoe: –Rariny ny an’ny TOMPO!


Raha vao nandray an-tanana ny fanjakàn-drainy i Jôrama, dia nanamafy ny fahefàny ka namono nahafaty tamin’ny sabatra ny rahalahiny rehetra sy ny mpitondra sasany teo amin’i Israely.


Ary nitety an’i Joda ireo ka namory ny levita sy ny loham-pianakaviana israelita avy tany amin’ny tanàna jodeanina rehetra, dia niara-tonga tany Jerosalema ireo.


Dia tao an-Tanànan’i Davida niaraka tamin’ireo mpanjaka nodimandry izy no nalevina satria nanao soa teo amin’i Israely ary koa tamin’Andriamanitra sy ny tempoliny.


Dia namory ny mpisorona mbamin’ny levita izy, ka nanao taminy hoe: «Mankanesa amin’ny tanànan’i Joda, ka mamoria vola amin’ny Israelita rehetra isan-taona mba hanamboarana ny tranon’ny Andriamanitrareo; ary aoka hohafainganinareo ny raharaha!» Kanjo navelan’ny levita hitarazoka izany.


Nampietren’ny TOMPO toy izany ny fanjakàn’i Joda noho i Ahaza mpanjakany efa nitaona ny Jodeanina hiala amin’ny TOMPO sy hanimbazimba Azy.


Fa ireo andriamanitr’i Damasy, izay andriamanitra nandresy an’i Ahaza, no nanolorany sorona satria hoy izy anakampony hoe: «Nanampy ny mpanjakan’i Siria ireo andriamanitra ireo, ka dia hanolorako sorona koa mba hanampiany ahy.» Kanjo tonga fandravana an’i Ahaza sy ny vahoakany rehetra ireo.


Rehefa lasa nodimandry any amin’ny razany kosa i Ahaza, dia nalevina tao an-tanàna Jerosalema; saingy tsy tao amin’ny fasan’ny mpanjaka no nampidirana azy. Ary i Hezekià zanany lahy no nanjaka nandimby azy.


Ny sisa amin’ny tantaran’i Manase, indrindra ny vavaka nataony tamin’Andriamaniny sy ny tenin’ireo mpahita izay niteny azy tamin’ny anaran’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely, dia voarakitra ao amin’ny Asan’ireo mpanjakan’i Israely.


Fa tsy nisy Paska nankalazaina toy izany teo amin’i Israely, na dia hatramin’ny andron’i Samoela mpaminany aza; ary ny mpanjaka rehetra tamin’i Israely dia tsy nisy nankalaza ny Paska tahaka izay nataon’i Jôsià sy ny mpisorona ary ny levita mbamin’ny mponin’i Jerosalema sy ny Jodeanina rehetra ary ny Israelita hafa izay vory teo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra