Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 21:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Rehefa lasa nodimandry any amin’ny razany i Jôsafata, dia nalevina tao amin’ny fasam-pianakaviany tao an-Tanànan’i Davida; ary i Jôrama zanany lahy no nanjaka nandimby azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Ary nodimandry any amin’ny razany i Josafata ka nalevina tao amin’ny razany tao an-Tanànan’i Davida izy; ary i Jehorama zanany no nanjaka nandimby azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Rehefa lasa nodimandry any amin’ny razany i Jôsafata, dia nalevina tao amin’ny fasam-pianakaviany tao an-Tanànan’i Davida; ary i Jôrama zanany lahy no nanjaka nandimby azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Nody mandry any amin’ny razany i Jôsafata, dia nalevina tao amin’ny razany, ao an-tanànan’i Davida, ary i Jôrama zanany no nanjaka nandimby azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 ARY Josafata lasa nodi-mandry any amin’ny razany, dia nalevina tao amin’ny razany tao an-Tanànan’i Davida izy; ary Jehorama zanany no nanjaka nandimby azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Ary Josafata lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao amin'ny razany tao an-Tanànan'i Davida izy; ary Jehorama zanany no nanjaka nandimby azy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Ary nodimandry any amin’ny razany i Josafata ka nalevina tao amin’ny razany tao an-Tanànan’i Davida izy; ary i Jehorama zanany no nanjaka nandimby azy.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 21:1
8 Rohy Ifampitohizana  

Nentina ny fatin’i Asahela ka nalevina tao amin’ny fasan-drainy tao Betlehema. Ary i Jôaba sy ny olony nanao lava alina, dia tonga tany Hebrôna tamin’ny mazava ratsy.


Dia hoy i Ahazià zanakalahin’i Ahaba tamin’i Jôsafata: –Aoka hiaraka amin’ny tantsambonao ny tantsamboko. Fa tsy nety i Jôsafata.


Rehefa lasa nodimandry any amin’ny razany i Jôrama, dia nalevina tao amin’ny fasam-pianakaviany tao an-tanànan’i Davida; ary i Ahazià zanany lahy no nanjaka nandimby azy.


Rehefa lasa nodimandry any amin’ny razany i Rehabohama, dia nalevina tao an-Tanànan’i Davida; ary i Abià zanany lahy no nanjaka nandimby azy.


Kanefa i Elihezera mpaminany, zanakalahin’i Dôdià avy any Maresà, dia naminany ny amin’i Jôsafata hoe: –Noho ny nifarimbonanao tamin’i Ahazià dia horavan’ny TOMPO ireo fitaovana vitanao. Dia nisy fahavakiana tokoa ireo sambo ka tsy afaka nanainga akory.


Feno 32 taona i Jôrama fony tonga mpanjaka; ary naharitra valo taona no nanjakany tao Jerosalema. Koa lasa nodimandry tsy nisy nalahelo azy izy. Nalevina tao an-Tanànan’i Davida ihany i Jôrama, nefa tsy mba tao amin’ny fasan’ireo mpanjaka.


Rehefa lasa nodimandry any amin’ny razany izy, dia nalevina teo anilan-drainy, tao an-Tanànan’i Davida; ary i Rehabohama zanany lahy no nanjaka nandimby azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra