Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 20:10 - DIEM PROTESTANTA

10 Ankehitriny, indreo ny Hamônita sy ny Môabita ary koa ny Edômita avy any an-tendrombohitra Sehîra. Fony niala tany Ejipta ny Israelita razanay, dia tsy navelanao hanafika azy, ka nivily lalana fa tsy nandringana azy;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Koa indreo, ny taranak’i Amona sy i Moaba ary ny avy any an-tendrombohitra Seìra, dia ilay tsy navelanao hotafihin’ny Israely, fony izy nivoaka avy tany Ejipta ka nivily fa tsy nandringana azy;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Ankehitriny, indreo ny Hamônita sy ny Môabita ary koa ny Edômita avy any an-tendrombohitra Sehîra. Fony niala tany Ejipta ny Israelita razanay, dia tsy navelanao hanafika azy, ka nivily lalana fa tsy nandringana azy;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

10 Ankehitriny, indreo ny taranak’i Amôna sy i Moaba mbamin-dry zareo avy any an-tendrombohitra Seira, izay tsy navelanao hidiran’i Israely fony izy avy any amin’ny tany Ejipta, ka nivily izy, fa tsy nandrava azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Koa indreo ny taranak’i Amona sy Moaba ary ny avy any an-tendrombohitra Seira, dia ilay tsy navelanao hotafihin’ny Isiraely, fony izy nivoaka avy tany amin’ny any Egypta, ka nivily fa tsy nandringana azy;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Koa indreo ny taranak'i Amona sy Moaba ary ny avy any an-tendrombohitra, Seira, dia ilay tsy navelanao hotafihin'ny Isiraely, fony izy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, ka nivily fa tsy nandringana azy;

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 20:10
10 Rohy Ifampitohizana  

Taorian’izay, dia avy hiady tamin’i Jôsafata ny Môabita sy ny Hamônita mbamin’ny Mehonita sasany.


Raha vao nanomboka nihoby sy nidera ireo mpihira, dia nataon’ny Tompo nisy fifanjevoana teo amin’ny Hamônita sy Môabita ary Edômita izay tonga hanafika ny Jodeanina, ka dia nifamely ireo.


Efa niray tetika tokoa ireo ka nifanaiky hanohitra Anao:


dia ny Edômita sy ny Jismahelita, mbamin’ny Moâbita sy ny Hagirita,


Izao no lazain’ny TOMPO: «Fahotana mifanesy no vitan’ny mponin’i Edôma, fa indrindra ity anankiray ity: Nenjehiny hotrobarana sabatra ny Israelita rahalahiny sady tsy nananany antra akory; tsy nisy fetra ny fahatezerany namiravira, ary nitahiry lolom-po mandrakariva izy. Noho izany, dia tsy hahemotro ny sazy momba azy:


Dia ho tonga ao akaikin’ny Hamônita ianareo, kanefa aza mandrafy azy na mila ady aminy; fa tsy hanomezako ho fanananareo ny taniny, satria nomeko ho fananan’ny taranak’i Lôta izany.»


Dia hoy ny TOMPO tamiko: «Aza mandrafy ny Môabita ianareo na mila ady aminy fa tsy hanomezako ho fanananareo ny taniny, satria ny faritr’i Hara dia nomeko ho fananan’ny taranak’i Lôta.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra