Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 18:11 - DIEM PROTESTANTA

11 Dia nilaza hafatra toy izany avokoa ny mpaminany rehetra teo ka nanao hoe: –Tafiho i Ramôta-Gilehada fa ho resinao, ry mpanjaka! Eny, hatolotry ny TOMPO eo an-tananao io tanàna io.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Ary ny mpaminany rehetra koa dia naminany hoe: Mandehana ho any Ramota-Gileada dia hambinina ianao; fa hatolotry NY TOMPO eo an-tananao izy, ry mpanjaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Dia nilaza hafatra toy izany avokoa ny mpaminany rehetra teo ka nanao hoe: –Tafiho i Ramôta-Gilehada fa ho resinao, ry mpanjaka! Eny, hatolotry ny TOMPO eo an-tananao io tanàna io.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

11 Ny mpaminany rehetra koa samy naminany toy izany, ka nanao hoe: «Miakara any Ramôta any Galaada ka maharese, fa hatolotr’i Iaveh eo an-tanan’ny mpanjaka izany.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Ary ny mpaminany rehetra naminany toy izao koa hoe: Mandehana ho any Ramota-gileada, dia hambinina hianao; fa hotolotr’i Jehovah eo an-tànanao izy, ry mpanjaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Ary ny mpaminany rehetra naminany toy izao koa hoe: Mandehana ho any Ramota-gileada, dia hambinina ianao; fa hotolotr'i Jehovah eo an-tananao izy, ry mpanjaka.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

11 Ary ny mpaminany rehetra koa dia naminany hoe: Mandehana ho any Ramota-Gileada dia hambinina ianao; fa hatolotry NY TOMPO eo an-tananao izy, ry mpanjaka.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 18:11
11 Rohy Ifampitohizana  

ny zanakalahin’i Gebera, tao Ramôta any Gilehada, no nisahana an’i Havôta-Jaîro izay fananan’i Jaîro zanakalahin’i Manase tao Gilehada, ary koa nisahana ny faritanin’i Argôba izay tao Basàna: tanàna enimpolo nisy manda manodidina sy hidy halimo ireo;


Fa i Tsedekià, zanakalahin’i Kenahanà, dia namboatra tandro-by ka niteny hoe: –Izao no lazain’ny TOMPO: «Ireto tandroka ireto no hanotoanao ny tafika sirianina mandra-paharingany.»


Ilay iraka izay nandeha naka an’i Mikaià kosa dia niteny taminy hoe: –Indro efa iray teny avokoa izao ireo mpaminany, ka milaza soa ho an’ny mpanjaka; enga anie ny teninao mba ho tahaka ny azy, ka hilaza soa ihany koa!


ary novorin’ny mpanjakan’i Israely ny mpaminaniny efajato lahy ka nanontaniany hoe: –Handeha hanafika an’i Ramôta-Gilehada ve isika, sa hijanona ihany aho? Dia novalian’ireo hoe: –Mandehana, ry andriamanjaka, fa hatolotr’Andriamanitra eo an-tananao ny tanàna.


Izao no lazain’ny TOMPO ny amin’ireo mpaminany izay mpamitaka ny vahoakako: «Raha misy mahafoy hokepohiny, dia iantsoany ‹Fiadanana›. Fa izay tsy manome zavatra hataony am-bava kosa dia hananganany ady manokana.


Ireo mpampianatra sandoka ireo dia mpimonomonona sy mpimoimoy lava, sady miaina araka ny filàndratsiny no miavonavom-piteny, ka mandoka olona mba hahazoany tombon-tsoa.


Dia voasambotra ilay biby sy ilay mpaminany sandoka, izay nanao zava-mampitolagaga teo anatrehan’ilay biby mba hoenti-mamitaka ireo nandray ny mariky ny biby sy nivavaka tamin’ny sariny; ary natsipy velona ho any amin’ny farihy afo arehi-tsolifara ilay biby sy ilay mpaminany sandoka.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra